« Manonofy ny kintana amam-bolana », hoy ny Malagasy izay… Fa ity kosa tsy nofy intsony satria tetikasa ambivitry ny hotanteraka, satria efa aman-taonany no nanomanana azy. Natao hanangonana tahirin-javakanto maro karazana, avy amin’ny firenen-drehetra, ka halefa ho voatahiry eny amin’ny volana ny « Lunar Codex 2025 ». Misy sanganasan’ny mpanakanto malagasy 10 ao […]
Other News
Fiarahamonina sy fanabeazana: Mitady ho difotry ny fanatontoloana ny teny ibeazana
Omaly, anisan’ny nanamarika ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana » i Madagasikara. Saika niompana tamina velakevitra sy fifanakalozan-kevitra izany. Nisy ny ampahana hevitra niraisana… Isaky ny mandalo ny 21 febroary. Mankalaza na manamarika ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » na ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana » ny Malagasy. Teny […]
FANTINA sy FINTINA
Miroso amin’ny dingana fanagiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna ny eo anivon’ny Pac sy ny Bianco. Angatahana fankatoavana avy amin’ny fitsarana izany. Anisan’ny tokony hogiazana ny sambo iray sy trano efatra, ahitana hotely iray lehibe. Eo koa ireo trano, rihana enina sy trano fonenana roa ary tany ao Antsirabe […]
Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Ento am-pahendrena ny fahefana…”
Mbola nampahatsiahy indray ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, omaly, ny amin’ny fitantanana ny kaominina. Nisy ny hafatrafatra sy toromarika nomeny ireo ben’ny Tanàna tany Fianarantsoa. Nanotrona ny fametrahana samboady ho an’ireo ben’ny Tanàna miisa 60 tao Fianarantsoa ny minisitra Andriantsitohaina Naina, omaly. Nambarany tamin’izany […]
Ilay toe-tsaina!
Nahafinaritra ny fiaraha-nijery basikety, omaly, teny Mahamasina, ho an’ireo izay afaka nanatrika nivantana. Nampitaintaina ny lalao roa nifanesy, indrindra ilay nandraisan’ny Ankoay anjara. Nifanalavitra ny vokatra ho an’ny Ivoariana sy ny Malagasy, izay resy lavitra. Niady hatramin’ny farany kosa ny ekipan-dry Sitraka sy ry M’Mady, ary Elie. Ny indrokely, […]






