Other News

Fitantanana kaominina- Toamasina: Mavesatra ny asa miandry

Niroso avy hatrany amin’ny asa heverin’ny maro fa mavesatra ny ben’ny Tanàna vaovao ao amin’ny kaominina Toamasina, Randriafa­nome­zantsoa Lovaheritiana Alain. Anisan’ny fepetra noraisina ny tsy maintsy nandrodanana ny tranovato naorina eo ambony tetezana ao Mangarivotra. Nanao izany mba hanaovan’ny rehetra fanarahan-dalàna. Tsy hijanona eo fa hitohy amin’ny fandrodanana ireo fanorenana […]

Faritra Vakinankaratra: Mandala ny mangarahara

Manohy ny fomba fiasa nahazatra azy, amin’ny fihaonana amin’ny mpanao gazety, ny eo anivon’ny faritra Vakinankaratra. Nitarika izany ny governora, Vyvato Rakotovao. Nambarany fa fomba fiasa eo anivon’ny faritra ny fandalana ny mangarahara ka azo noresahina sy nanontaniana avokoa ireo sehatra rehetra eo anivon’ny faritra. Anisan’izany ny lafiny toekarena, ny […]

Faritra Androy: Hatsaraina ny drafi-panajariana ifotony

Mitohy ny hetsika eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Tafiditra amin’ny fampandrosoana eny ifotony izany, ho an’ny faritra Androy. Nanatanteraka atrikasa ho an’ny faritra, anisan’ny tantsoroka ara-teknika ho an’Androy, ny eo anivon’ny MFFT. Natao tao amin’ny Camp Flacourt Taôlagnaro ny hetsika, naharitra roa andro. Manohana izany […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 10 000 ny zana-kazo honko nambolena, tamina velaran-tany 5 ha, tany Antalaha, fokontany Ambalavontaka, kaominina Ankatafana, distrika Manajary, ny 6 febroary teo. Manamorona ny Lakandranon’i Pangalana ity toerana ity, ka nampifandrifiana ny fanokafana ny fotoam-pambolen-kazo 2025 ho an’ny faritra Vatovavy, sady fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny faritra mando rahateo. […]

Fampiroboroboana ny toekarena : Miara-miasa amin’i Inde i Madagasikara

Vonona hiara-hiasa amin’ ny firenena indianina hatrany i Madagasikara ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy hijerena ireo sehatra stratejika ahafahan’izy ireo mampiasa vola. « Ilana ny fanavaozana ny fotodrafitrasan’ny fitaterana sy ny angovo, izay laharam-pahamehana napetraky ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa indianina izany », hoy ny minisitry ny Fitaterana sy […]