10 andro tsy higadonan’ny dingana faran’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny “Afrobasket 2025”, mihamafy ny fanomanantenan’ny ekipa malagasy, Ankoay lehilahy. Mahakasika ireo mpilalao milaravinahitra, efa misy tonga eto an-toerana, anisan’izany Razanamahenina Kiady sy Rabibisoa Jerry Pépin ary i Lahotan Rija. Tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity no tonga teto i Jerry raha vao […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Hisy velakevitra roa, iarahana amin’ireo mpanoratra sy poeta, ao amin’ny Faribolana Sandratra, anio. “Ny forona, mafy orina” ny lohahevitra voalohany, hofakafakain’i Mero Kosiky. “Ny forona sy ny mpamorona kosa ny faharoa”, hoentin’i Andriniela. Ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy ireo, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Tsy raikitra ilay “Revy […]
Tenindreny : Hisy ny Tombokavatsan’ny teny malagasy
21 febroary, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ». Hanatanteraka hetsika miavaka eto an-dRenivohitra ny Fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem, amin’io fotoana io. « Tombokavatsan’ny teny malagasy », hotontosaina ao amin’ny efitrano malalaky ny Havoria Anosy, ny zoma 21 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fiantsana tononkalo […]
Fanabeazana : Tsiahivina sa havalona ny tantara?
Ny mampahatsiahy, lazaina fa mamoha fota-mandry. Ny tsy milaza, ambara fa tia kinafinafina. Ho an’i Madagasikara manokana, mila tsiahivina sa tokony havalona ny tantara? Efa manana fomba fisainana vaovao ny Malagasy sasany, hany ka mahasadaikatra ny hafa ny hampahatsiahy ny tantara. Manana fomba fijery mivelatra ny Malagasy hafa, hany ka […]
Andro maneran-tany ho an’ny teatra: Hisy fifaninanana iraisan’ ireo sekoly
Homena sehatra ny taninketsa. Izay no tanjona amin’ny fikarakarana fifaninanana teatra an-tsekoly. Hivoizana ihany koa ireo lohahevitra mila fanentanana amin’izao fotoana izao, izany. 27 marsa, Andro maneran-tany ho an’ny teatra. Anisan’ireo firenena maro manamarika izany isan-taona i Madagasikara. Toy ny tamin’ny taon-dasa, mikarakara fifaninanana teatra iraisan’ireo sekoly ny minisiteran’ny kolontsaina […]






