Other News

FANTINA sy FINTINA

“Misitrika aho fa mamy ny miaina”, hoy ny ampahan’ny fananambaran’ny ben’ny Tanànan’Antsi­ra­nana, Djavojazara, omaly 11 febroary. Niparitaka tao amin’ny tambajotran-tserasera ny horonantsary maneho izany. Tsiahivina fa efa nametrahana PDS ny fitantanana ny kaominina Antsiranana I. Hametraka fitoriana ny eo anivon’ny minisitera misahana ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). […]

Loholona Ndremanjary Jean André : “Tsy mampandroso ny Tetezamita”

“Tsy mampandroso izany Tetezamita fiaraha-mitantana izany. Olona tsy mitovy pro­grama ve no hiara-kitantana? Ny an’iza no tena hotantera­hina? Aleo ny filoha Rajoelina Andry amin’ny nifidianan’ny olona azy hanao ny azy hatramin’ny farany”. Io ny fanehoan-kevitry ny loholona Ndre­manjary Jean André, teny Anosy, omaly, ny amin’ny fitakian’ny mpanohitra sasany amin’izao. Efa […]

Sarotra atoro!

  Raha misy zavatra mampikatso ity firenena ity angamba dia ny fizirizirian’ireo nomem-pahefana. Betsaka loatra ny sarotra atoro. Maro ny mihevi-tena fa rehefa manam-pahe­fana dia tampom-pahaizana. Toa tendritendrena fahatany ny mpanolotsaina, zarazaraina ny toerana. Fa tsy henoina sy mba raisina ny torohevitra. Mahavariana fa ny tsy mahay sy tsy mahafehy […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Mamaritra ny lalana handrosoana ny tantara”

Nanome voninahitra ny fahatsiarovana ny faha-50 taona nahalavo ny Kly Ratsimandrava Richard, omaly, teny Ambohijatovo Ambony, ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nisy ny hafatra fohy nambarany tamin’izany. Nampitainy ny fiombonam-pon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, amin’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana sarobidy izao. « Ny tantara tsy fa­nadino ary izany no mamaritra ny […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray may vokatry ny fahamaizan’ny trano nonenany, omaly maraina. Taraiky tany amin’ny efitra ambony ny zafikeliny iray ka nanavotra azy io izy no may. Niainga tany amin’ny efitra ambany ny afo, nahitana solika ka nampiredareda malaky ny afo. Efa nentina tany amin’ny mpanao ody may izy io taorian’ny tranga. […]