Mbola nanamafy indray ny eo anivon’ny Prefektiora an’Antananarivo: voarara ny fivorivoriana resaka politika hikotrehana fanonganam-panjakana. Mivonona amin’ny mety fikotrehana hetsika politika ho any amin’ny fanonganam-panjakana ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Nandray ny fepetra rehetra mifanandrify amin’izany ny eo anivon’ny Prefektiora. “Tsy azo atao ny fivoriana ahina hiteraka korontana, indrindra fa […]
Other News
TSELATRA
Afaka madiodio ilay nanolana sy namono zaza 11 taona tany Fianarantsoa, taorian’ny fitsarana azy tany an-toerana, omaly. Torana tampoka ny renin’ilay zaza rehefa nahare izany. Tezitra mafy koa ny fokonolona nanoloana izany, ka saika hanao fitsaram-bahoaka ireo olona nahavanon-doza. Niditra an-tsehatra namaha ny hetsika ny avy eo anivon’ny zandary any […]
Hetsika sendikaly : Navotsotry ny zandary ireo mpampianatra roa
Navotsotry ny zandary, omaly, ireo mpampianatra roa, voasambotra nandritra ny hetsika fitakiana nataon’ny sendikà eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny alatsinainy lasa teo. Tonga teny amin’ny Sampana fikarohana heloka bevava, eny Fiadanana, nanontany ny antony nisamborana ireo mpikambana roa lahy ireo sendikà, omaly. Fotoana nahafahana nanao ny hetsika firaisankina sendikaly, mba […]
Taksiborosy voatafika : Voafira antsy ilay mpandeha
Naratra teo ambany heliny, nofirain’ny mpandroba antsy ny lehilahy iray, raha toa ka voavely kibay ilay vehivavy, teny amin’ny RN4, 12 km miala an’i Maevatanàna, ny alin’ny alahady 2 febroary tamin’ny 11 ora alina. Niainga avy any Mahajanga, nifanao aloha sy aoriana ny taksiborosy miisa roa. Nosakanan’ny olon-dratsy tampoka teny […]
Saika hanafika teo Ambanidia: dimy mianadahy voasambotry!
Nosamborin’ny polisy teo Ambanidia, omaly, ny dimy mianadahy, mpanao fanafihana. Nikasa handroba Cash point izy ireo. Ahina ho isan’ny nitifitra ilay mpanakalo vola vahiny teny Analakely ihany koa. Vehivavy iray sy lehilahy efatra niara-voasambotry ny polisin’ny UIR sy ny avy eo anivon’ny CSP2 tetsy Ambanidia, omaly maraina. Naharay loharanom-baovao marim-pototra, […]






