Other News

Rasoanaivo R. Laura : “Tsy azoko ny naharesy ahy tamin’ny Grand Slam”

Nalahelo tamin’ny vokatra azony nandritra ny “Grand Slam de Paris”, taranja Judo, notontosaina ny faran’ny herinandro teo, Rasoanaivo Razafy Laura. “Resy noho ny fitsipika vaovaon’ny fitsarana aho ary tsy mbola azoko hatramin’izao ny antony naharesy ahy”. Io no voalohan-teniny vao vita ny ady natrehiny nanoloana ilay mpifanandrina taminy ary tena […]

Ankoay : Hoavy ireo mpilaravinahitra

Miditra amin’ny fampivondronana mihidy eny amin’ny Cnaps Vontovorona, tamin’ity herinandro ity, ny ekipan’ny Ankoay, lehilahy, ho fanomanana ny dingana faran’ny fifanintsanana ho amin’ny “Afrobasket 2025”. Efa eny an-toerana avokoa ireo mpilalao eto an-toerana. Ny 11 febroary izao kosa no andrasana ny fahatongavan’ireo mpilalao mpilaravinahitra 5 mirahalahy hanatanteraka ny fampivondronana miaraka […]

Badminton – Afrique 2025 : Misy mpilalao avy any Frantsa hanatevina ny ekipa malagasy

Anisan’ireo firenena handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja badminton, hatao any Cameroun, i Madagasikara. Mpilalao 6 mianadahy no handeha hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany ka misy mpilaravinahitra any Frantsa iray handrafitra ny ekipa nasionaly. Raha tomombana avokoa ny fikarakarana rehetra, anisan’ireo firenena hanatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]

TARATRY ny KANTO

Boky varoboba, ao amin’ny IFM Analakely. Hontotosaina rahampitso alakamisy ilay varotra amin’ny vidiny mirary ireo boky tontan’ny IFM. Manomboka amin’ ny 9 ora maraina izany, ka misy amin’ny kilao ary tsy ankifidy. Be mpiandry ity hetsika fanaon’ny IFM ity, satria ankoatra ny fandrisihana amin’ny vaky boky, fanavaozana ihany koa ireo […]

Fanabeazana ho olom-banona : Mila velarina ny « Takalo boky »

… Rehefa tafiditry ny teknolojia ny fampitan-kafatra, nihena tsikelikely ny fahazotoan’ny olona hamaky boky. Ankehitriny, manazava indray ny mpikaroka fa « tsy mbola misy mahasolo ny boky. Noho izany, mila haverina amin’ny laoniny ny fampiasana azy ireny any an-tsekoly… ». Raha ny isan’ny boky lafo eny amin’ ny trano fivarotam-boky no natao […]