Miorina amin’ny tanjona stratejika telo ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) 2025-2030, araka ny nanolorana izany teny Ivandry, omaly. Eo ny fanafoanana ny tsimatimanota, ny fampirisihana ny fomba fiasa mampandray andriakatra ny rehetra, ny fandrindrana ny fiaraha-miasa ary ny fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny kolikoly. Eo koa ny fampiroboroboana ny kolontsaina […]
Other News
EDBM : Niampy 433 ny orinasa nitsangana ara-dalàna
Mitotaly 433 ireo orinasa nisoratra anarana eny anivon’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), nandritra ny telo volana faran’ny taona 2024. Nahitam-piakarany 20,2% ity tarehimarika ity raha oharina ny tamin’ny taona 2023, hoy ny fanazavana voaray. Orinasa manana mpiara-miombon’antoka malagasy maro anisa ny 70%-n’ireo orinasa voalaza etsy ambony. Ahitana mpiara-miombon’antoka […]
Fangatahan-tsodrano amin’ny fitantanana : Noraisin’ny FFKM ny ben’ny Tanàna Ramanantsoa Harilala
Noraisin’ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM, omaly, teny Andohalo, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Nivoitra tamin’izany ny ho fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ka nifampizarana sy samy nanehoana hevitra ny momba ny andraikitra iombonana eo amin’ny fiangonana sy ny CUA. Nanterin’ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, fa ilaina ny fitokisana an’ Andriamanitra […]
VAOVAO TAMBATRA
Mahaliana ny espaniola ny any Nosy Be. Nandray anjara tamin’ny hetsika « Salon Futur 2025 » tany Madrid Espagne ny Ofisim-paritry ny fizahantany Nosy Be (ORTNB), ny 22-26 janoary teo. Nanokatra lalana ho an’ny fizahantany eto Madagasikara ity hetsika ity, indrindra ny any Nosy Be. Isan’ireo firenena 15 mpandefa mpizahatany aty amintsika […]
Famarotana ny Airbus A340-300 : Handoavana ny trosan’ny Air Madagascar
« Anarenana ny olana ara-bolan’ny Air Madagasikara no antony namarotana ireo Airbus miisa roa A340-300 », hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, omaly. Tafakatra hatrany amin’ny 100 tapitrisa dolara (500 miliara Ar) ny trosan’ny kaompania amin’ireo mpampisambo-bola, ka nahatonga izao fanapahan-kevitra izao. Ankehitriny, napetraka eny […]






