Hotanterahina any Toamasina, manomboka ny 21 hatramin’ny 23 febroary ho avy izao, ny fanombohan’ny tetikasa “Tanora mandrafitra ny ho avy”. Araka ny fanambarana nataon’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), i Marson Moustapha Abdulah, omaly, tetsy Mahamasina, miisa arivo mahery eo ny tanora omena fiofanana araka asa eto Madagasikara, […]
Other News
Minisiteran’ny Mponina : Hovatsiana fitaovana sy vola ny vehivavy
Nambaran’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurelie, fa vonona ny minisitera hanohana sy hanampy ireo fikambanam-behivavy mijoro ara-dalàna. Nanteriny fa mba tsy ho an’ny Andron’ny 8 marsa ihany no hijerena azy ireo. “Hatao mandavantaona ny hetsika hanohanana azy ireo. Hanampy tosika ara-pitaovana sy ara-bola ny fanjakana, miainga amin’ny […]
Fitakian’ny RMDM: “Atsaharo ny tsindry sy ny ramatahora”
Notanisain’ny RMDM, omaly, tetsy Bel Air, fa voahitsakitsaka ny lalàna fototra sy ny zon’olombelona ary ny demokrasia eto amin’ny firenana, amin’izao fotoana izao. Maro ireo tranga niseho tato ho ato manamarina izany, araka ny nambaran’ny mpitarika, ny pasitera Tsarahame Edouard. Notanisainy tamin’izany ny fisamborana ireo mba maneho hevitra na koa […]
Fiaraha-miasa: Nifampizara traikefa amin’i Afrika Atsimo ny CUA
Nanatanteraka fitsidihana amin’ny fomba ofisialy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, ny masoivohon’ny Repoblika Afrikanina Atsimo, i Khazamula Lawrence Chabane, omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna, Analakely izany. Tanjon’ ny fihaonan’ny roa tonta ny fijerena ny fiaraha-miasa azo tanterahina eo amin’ireo tanàna lehibe any Afrika Atsimo sy Antananarivo Renivohitra. Voaresaka […]
Lisi-pifidianana: Hifarana ny 15 febroary ny fisoratana anarana
Mampahatsiahy ny olom-pirenena ny eo anivon’ny Ceni fa atomotra ny fikatonan’ny fisoratana anaty lisi-pifidianana. Manentana ny rehetra izy ireo amin’izany. “Manentana antsika olom-pirenena, tsy mbola anaty lisitry ny mpifidy mba hanatona ny fokontany hisoratra anarana. Mbola manana fotoana isika hanatanterahina izany”, hoy ny eo anivon’ny Ceni tamin’ny alalan’ny mpanolotsaina, Ravalitera […]






