Ambany ny taham-pamokarana trondro eto Madagasikara. Manodidina ny 142 000 t ny vokatra eto amintsika, amin’ny ankapobeny. Ny « 112 000 t dia vokatra an-dranomasina », hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena, Mahatante Paubert. 30 000 t eo kosa ny vokatra an-tanety. Noho izany, mbola tsy ampy 165 000 t ny filana. Na izany aza, efa misy ny ezaka ataon’ny minisitera amin’ny alalan’ireo fampitaovana ny mpanjono sy fampiofanana samihafa omena azy ireo.
Vina ho an’ny taona 2025 ny hampiakatra ny taham-pihinanan’ny Malagasy trondro ho 11 kilao isan’olona isan-taona. Any ivelany, mahatratra 24 kg isan’olona isan-taona ny fihinanna ity vokatra ity raha toa 11 kg isan’olona isan-taona izany aty Afrika. Ny taona 2021, manodidina ny 4 kg isan’olona isan-taona ny taham-pihinanan’ny Malagasy trondro. Ankehitriny, tafakatra 7 kg isan’olona isan-taona izany noho ny fiaraha-miasa niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany.
Ankoatra izay, manohana hatrany ny mpanjono ny minisitera amin’ny fampitaovana azy ireo. Entina ihany koa hampiroboroboany ny toekaren’ny mponina indrindra hahamatihanina ireo mpisehatra izany. Marihina fa manodidina ny 40% ny vokatra simba noho tsy fananana fitaovana entina manodina izany.
Mila « zone d’émergence piscicole » (ZEP) miisa 70 koa i Madagasikara ka 17 amin’ireo no efa andalam-pahavitana, hoy hatrany ny minisitra. Tanjona ny hampakarana ny taham-pamokarana izay mbola ambany raha oharina amin’ny filana. Satria, mbola 50 tapitrisa monja ny zana-trondro eto amintsika raha mahatratra hatrany amin’ny 600 tapitrisa ny filana.
Henintsoa H.




