Other News

TSELATRA

Tontosa ny 18 avrily 2026 teo ny lanonana ara-miaramila nanomezana ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre national” sy fampiakarana ho “Sergent” an’i Kaporaly Evoadraza. Namoy ny ainy, nandritra ny fanarahan-dia ireo omby 200 lasan’ny dahalo ny 31 desambra 2025, tao Beravy kaominina Tsihanisiha, distrika Toliara II, izy. Nitarika izany ny lehiben’ny […]

Ankadikely Ilafy : Lehilahy hita faty nananton-tena

Namoy ny ainy vokatry ny famonoan-tena ny lehilahy iray, tao amin’ny fokontany Manjaka, kaominina Anka­dikely Ilafy, distrikan’Anta­nanarivo Avaradrano, afakomaly. Hitan’ny fianakaviany nihantona tamin’ny fantsona plastika maka endrika tady io lehilahy io. Naharay fampahafantarana an’ilay tranga ny mpitandro filaminana, tamin’ny 8 ora maraina. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy niaraka tamin’ny mpitsabo […]

Moto sy fiara nifandona : Lehilahy iray maty tetsy Ampitatafika

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina ny lalam-pirenena voalohany, ny alin’ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora latsaka fahefany. Niseho teo amin’ny PK 09 + 200, teo amin’ny Voasary, fokontany Ambodiafontsy, kaominina Ampitatafika, ny loza. Moto iray notaingenan’olon-droa no nidona mafy tamin’ny fiara 4×4 iray. Avy aty Antananarivo ary nikasa […]

Niakatra fampanoavana omaly : 15 mianadahy nandroba 200 tapitrisa Ariary

Natolotra ny fampanoavana, omaly, ny olona 15 mianadahy. Voarohirohy tamin’ny fanafihana, teny Ambohimangakely izy ireo. 200 tapitrisa Ar ny vola voaroba tamin’ny 20 avrily. Nohainoin’ny fampanoavana omaly ireo 15 mianadahy voasaringotra tamin’ny fanafihana mitam-piadiana teny Ambohimahitsy, kaominina Ambohimangakely, distrikan’Avaradrano, ny 20 avrily teo, tamin’ny 9 ora maraina. Nanapaka ny «ca­mé­ra […]

Ultima media : Mpanao gazety sivy nahazo mariboninahitra

Nomarihana omaly, 3 mey ny Andro fankalazana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety maneran-tany. Mpanao gazety 106 avy eto Madagasikara no na­hazo mariboninahitra avy amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, omaly, tetsy amin’ny Ivotoro, Nanisana. Grand croix de l’ordre national, commandeur de l’ordre national, grand officiers ary chevaliers de l’ordre national no […]