Hotanterahina eto Madagasikara, ny 27 ka hatramin’ny 31 mey, ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja handball na ny IHF Trophy. Fifaninanana, natokana ho an’ny sokajy zandriny lehilahy «cadet» sy «junior». Io no nambaran-dRatsimandao Andriamanga Herilovasoa, filohan’ny federasionina malagasy (FMHB), tao amin’ny tambajotran-tseraserany, ny sabotsy lasa […]
Other News
Fiarovana ny tontolo iainana : Hisy hetsika manokana eto Antananarivo
Nanomboka tamin’ny sabotsy hatramin’ny 10 mey 2026 ho avy izao ny « Festival de la nature ». Hetsika karakarain’ny Festive groupe, izay tanterahina eto Antananarivo. Tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny hetsika. Mifantoka indrindra amin’ny fanabeazana sy fanentanana ireo tanora an-tanàn-dehibe momba ny olana sy ny tokony ny hanajana ny […]
Samoëla : Seho nitetezana ny 30 taona ny « Hiaka-dapa »
Feno ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina etsy Imahamasina, omaly. Nanamarika ny faha-30 taona an-tsehatra i Samoëla, tamin’ ny alalan’ilay seho « Hiaka-dapa ». Amin’ny ankapobeny, nanana endrika tsiahy ity fampisehoana ity. « … Asongadintsika ao mihitsy, tokoa, ilay 30 taona niarahantsika izay… », hoy i Samoëla, andro vitsy nialohan’ny fampisehoana. Avy ao anatin’ireo […]
DAKA AN-JORONY: Aza manao fary mitety reny
Ny hevitra tera-bary ka samy mamoaka ny ao am-pony. Na izany aza, lanjalanjaina ihany ny volana ambara fa sarotra ny mamerina azy. Manan-danja tokoa eo amin’ny fitondrana ekipa na fitantanana taranja fanatanjahantena ny teny. Misy ny azo lazaina, ao koa ny tsiambaratelo. Ka aleo tsy manao fary mitety reny. Inona […]
Fifanintsanana «Can 2027» : Ho fantatra ny vondrona misy ny Barea
Hotanterahina any Kenya, Ouganda, Tanzanie, ny 19 jona hatramin’ny 17 jolay 2027 ny fiadiana ny amboaran’i Afrika na ny Can 2027. 19 mey ho avy izao kosa, ny antsapaka hahafantarana ny ekipa mpiray vondroka. Anisan’izany ny Barean’i Madagasikara. Nivoaka ny fanambaran’ ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra (CAF) mahakasika […]






