Vao nigadona teto an-tanindrazana, voasambotra avy hatrany i Naivo Raholdina, depiote voafidy tao amin’ny boriborintany fahadimy. Avy nitsabo tena tany ivelany, niatrika fandidina izy, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao. Baiko avy amin’ny fitsarana no nahafahana nisambotra azy tamin’ny afakomaly alina, teny Analamahitsy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Tsy voafaritra […]
Other News
Ady… hilaminana
Hatramin’izao, tsy mbola mampitovy fijery ny hoe fanavaozana. Samy manao izay saim-pantany? Na sanatria fialana amin’izay nisy hatramin’izay… Eny, na izay mety sy mampandroso aza. Misy ohatra, mpitandro fiilaminana manova fotsiny izao ny lalàm-pifamoivoizana. Nony injay anontaniana, mamaly boribory hoe: fanavaozana izao. Mba marina? Fanovana izay tian’ny tena ve […]
Filoha Randrianirina Michaël : Nidoka ny vahoakan’ny distrikan’i Faratsiho, faritra Vakinankaratra
Nitokana zava-bita maromaro sy nampihanta ny vahoakan’i Faratsiho ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël mivady, ny faran’ny herinandro teo. Notsiahiviny tamin’izany ny hetsika ny vahoaka tany an-toerana. Nentaniny tamin’izany ny ao Faratsiho hanohy ny ady efa nataony fony fitondrana teo aloha. « Ampirisihana isika mba hitazona ary hanamafy ny firaisankina […]
Ny fitiavana manjono miaraka amin’i Staray
Tenisy ambony latabatra – « Mondial 2026 »: Nofaranan’i Meksika ny dian’ny Malagasy
Raraka… ! Tsy tafita tany amin’ny dingana manaraka amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tenisy ambony latabatra, ho an’ny lalao isan-tarika, izay tontosaina atsy Londres Angleterre, ny 28 avrily-10 mey, ny ekipa nasionaly malagasy. Nahazo faharesena fanindroany indray izy ireo rehefa lavon’i Meksika, tamin’ny isa 3 no ho 1, […]






