Tsy nisy ny « Madajazzcar 2025 », noho ny korontana teto amin’ny firenena. Tsy nanakana ny fifaninanana « Tremplin Jazz » kosa izany. Natao hitiliana, avy eo hanasongadinana sy hanomezana sehatra, ireo talenta vao eo amin’ny jazz malagasy izy ity. Rehefa avy nandalo dingana maromaro, tontosa ny alakamisy teo, tetsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, […]
Other News
« Heriko ianao » : Rakikira hanohizan’i Mam’Rakoto ny lalany
Eny, tao amin’ny tarika Njila izy… Fa pejy efa nivalona ela izany, ho an’i Mam’Rakoto. Efa an-taonany maro no nanoritra ny lalany eo amin’ny mozika Andrianjakamamy Rakotoarinia Benjamin, ary misongadina hatrany ireo sanganasany, na dia monina any Frantsa aza ity mpanakanto ity. Porofon’izany, hamoaka ny rakikira « Heriko ianao » i Mam’Rakoto. […]
« Made in Germany 2026 »: Hizara ny kolontsainy ny Alemà
Tontolon’ny toekarena sy kolontsaina. Efa lasa lavitra noho i Madagasikara i Alemainina. Hizara ireo tombony ananany ry zareo mandritra ny foara « Made in Germany 2026 ». Hotanterahina ny 9 mey ho avy izao, eny amin’ny Villa Berlin Ambatoroka, ny andiany faharoa amin’ny foara « Made in Germany 2026 ». Hetsika karakarain’ny « Les amis de […]
VAOVAO TAMBATRA
Mihen-danja indray ny Ariary miohatra amin’ny euro. Tafakatra 4 811 Ar ny euro iray, ny alakamisy 29 avrily teo, raha 4 731 Ar izany tamin’ny iray volana lasa, ny 30 marsa 2026. Izany hoe, nisy elanelana 100 Ar eo ho eo. Marindrano tsy nihetsika kosa ny vola dolara, izay misanda 4 135 Ar […]
Tetikasa Volobe 2: Hanomboka ny fanamboaran-dalana
Nifampidinika tamin’ny tomponandraikitra mitantana ny tetikasa “Volobe 2” ny minisitry ny Asa vaventy, Rafefimanana Sambilason Richard, ny alarobia 29 avrily teo. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fanehoan’ny fitondram-panjakana ny fahavononany hanohana ny tetikasa “Volobe 2”. Noresahina ny fanokafana voalohany ny fidirana mankany amin’ny tetikasa, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani farany teo. […]






