Vao tonga avy any an-dafy: Voasambotra i Naivo Raholdina

Vao nigadona teto an-tanindrazana, voasambotra avy hatrany i Naivo Raholdina, depiote voafidy tao amin’ny boriborintany fahadimy. Avy nitsabo tena tany ivelany, niatrika fandidina izy, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao. Baiko avy amin’ny fitsarana no nahafahana nisambotra azy tamin’ny afakomaly alina, teny Analamahitsy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Tsy voafaritra mazava ny anton’ny fisamborana hatreto. Tsy misy nipika ny fanadihadiana.
Loharanom-baovao tsotra iray no nilaza fa misy taratasy fitoriana azy eny amin’ny fitsarana. Izay no antony mety hanenjehana azy. Andrasana ny fanampim-baovao, ofisialy anio. Mbola tazomina eny amin’ny tobin’ny sampam-pikarohana heloka bevava an’ny zandarimariam-pirenena, eny Fiadanana izy hatramin’ny omaly, hariva. Manamafy izay rahateo ny lehiben’ny fibaikoana isan’ambaratongany. Manisy tsindrim-peo izay nohadihadiana fa mpanatanteraka baiko fotsiny ihany.

Nodorana
Tsiahivina fa tsy hita popoka ity solombavambahoaka ity, nanomboka ny 25 septambra 2025, nipoahan’ny hetsika Gen Z. Anisan’ny mpanao politika, may trano, noho ny fitokonana faobe teto an-dRenivohitra izy ny androtr’io daty manan-tantara io. Ra­van’ny afo sy niharan’ny fandrobana entana tao aminy teny Ambohidahy Ankadin­dramamy sy Nanisana. Mari­hina fa niara-may trano taminy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’izany fotoana, Rakotondrazafy Lalatiana.
Ity solombavambahoaka ity izany no depiote Irmar faharoa voasambotra taorian’ ny faharavan’ny Fitondrana Rajoelina. Marihina fa mbola voatazona eny amin’ny fon­jan’­Ambohidrabiby, miandry fitsarana ny depioten’i Fiana­rantsoa sady minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Sahondrarimalala Marie Mi­chelle.

Riana Raymond

Partager sur: