Other News

Seranana Ivato: Nohamoraina ny fivezivezen’ ny mpandeha

Manana fotodrafitrasa vaovao ny fitantanana ny fadintseranana eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo. Nitokana izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly. Misy lalana roa samy hafa napetraka ao amin’ny toerana fisavana ny entana, hanamora sy hanafaingana ny fivezivezen’ny mpandeha sy ny fanaraha-maso ataon’ny ladoany. Afaka misafidy amin’ireo lalana ireo ny mpandeha […]

TARATRY ny KANTO

“Tohy”. Io ny anaran’ny fampirantiana ny san­ga­nasan’i Hagani Sainana, izay hotontosaina ao amin’ ny IKM Antsahavola, manomboka ny sabotsy 1 febroary. Hotontosaina amin’io fotoana io ny fanokafana, ary ny 15 febroary kosa ny fihaonana amin’ny mpanakanto, ho an’ireo liana amin’ny sanganasany. Lany ho ben’ny Tanànan’Antsohihy i Vaney’s. Nambara tamin’ny fomba […]

Nivoaka omaly ny boky « Valihan’Ikaky » -I : Hahazo tombony ny Malagasy any ivelany

Tanteraka ny fanamby. Nahita masoandro, omaly, ny « Valihan’Ikaky »-I. Boky fampianarana mitendry valiha manaraka ny fomba fampianarana zavamaneno maneran-tany. Araka ny nambaran’ny mpanoratra sy ny tomponandraikitry ny famoahana: « ha­hazo tombony ny Malagasy monina ivelan’i Madagasikara, satria, any no hanapariahana azy ity voalohany ». Anisan’ny antony nahatonga izany ny fisian’ny zavamaneno valiha isaky […]

FANTINA sy FINTINA

Nidina an-dalambe nanao fihetsiketsehana ny any Andohan’Ilakaka, omaly. Tsipahin’izy ireo ny nanafoanan’ny fitsarana ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna tamin’ny birao fandatsaham-bato (BV) miisa 19 amin’ireo BV 34. “Tsy manaiky ny hoverezin-jo. Mitarika amin’ny elanelana 738 ny kandidànay ka lasa mpandresy indray ny Irmar izao”, hoy izy ireo. Niarahaba ny eo anivon’ny […]