Hametraka tantara vaovao eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra malagasy ny ho fandraisana anjaran’ny Net Foot amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena hatao any Espagne. Vonona ary efa ao anaty fanomanana hiatrehana izany izy ireo, amin’izao fotoana izao. Afaka telo volana, hanomboka ilay fifanintsanana ho an’ny tanora mpilalao baolina kitra ho an’ny sokajy U19, […]
Other News
Depiote Rabenirina Jean Jacques: “Tsy ampiasaina hanao politika ny miaramila”
“Miaro ny vahoaka sy ny andrimpanjakana ny miaramila. Arovany izay fitondrana eo amin’ny maha fanjakana azy, fa tsy amin’ny sehatra politika. Fa tsy ampiasaina hanao politika ny miaramila”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Betioky Atsimo tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Rabenirina Jean Jacques, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, […]
Ramamimampionona Gérard : “Tsy hoentina amin’ny korontana ny vahoaka”
“Mahantra isika, tsy tokony hijanona amin’izao na hoentina amin’ny fahantrana hafa indray koa amin’ny korontana. Inona no tena tokony hamahana an’io fahantrana io?”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Firy taona izay, nisy fifanatonana teto fa mijanona ihany ny fahantrana. Tsy mbola […]
Taekwondo ITF- “Coupe de Mada” : Natao hifantenana ny ekipa nasionaly
Hotanterahina ny volana oktobra ho avy izao, any Croatie, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja Taekwondo ITF (TKD ITF). Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Araka ny vaovao voaray, omaly, teo anivon’ny Kaomisionina malagasin’ny TKD ITF, hisy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, hatao mialoha ity fifaninanana ity, […]
Fikambanana Miavotra: Famatsiana legioma 1 taonina isam-bolana
Niorina ny taona 2014 ny fikambanam-behivavy Miavotra any Ampitambe Moramanga. Nahazo fiofanana ara-teknika amin’ny fambolena legioma sy voankazo tamin’ny orinasa Ambatovy izy ireo, ary efa mahaleo tena ara-pitantanana. Ankehitriny, mahatratra 1 taona isam-bolana ny vokatra vatsian’ny fikambanana Miavotra ho an’ny orinasa Ambatovy, nanomboka ny taona 2023. Nilaza ny filohany, Razanamanana […]







