Efa ho 20 taona izay ny Fikambanana misahana ny faritra arovana (AP) sy ny tontolo mananaina eto Madagasikara (FAPBM). Manamafy ny fanamby apetrany hikajiana ny harena voajanahary ny fikambanana. Miisa 75 ny AP hotohanany ara-bola amin’ity taona 2025 ity, izay mitentina 6 tapitrisa dolara, raha 70 isa ny taona 2024. […]
Other News
Fadintseranana: hampidi-bola 4 366 miliara Ar ny taona 2025
4 366 miliara Ar ny vinavinam-bola hiditra ao amin’ny fadintseranana malagasy, araka ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI) 2025. Ho azo avy amin’ny hetra amin’ny fanafarana vokatra ny 72%, raha avy amin’ny solika kosa ny 28%. Mitentina hatrany amin’ny 1 010 miliara Ar kosa ny haban-tseranana, raha tafakatra hatrany amin’ny 2 148 […]
Arabe migodana: mirefy 40 km ny asa fandravonana vita
Mirefy 80 km ny ampahany voalohany hatao amin’ny arabe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Efa misasaka, 40 km, ny asa fandravonana vita. Nijery ifotony ny fanamboarana ny arabe migodana ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, sy ireo mpiara-miasa aminy, ny alatsinainy 6 janoary teo. Notombanana ny fivoaran’ny […]
Indray mijery
Ankoatra ny famangiana ireo mpianatra traboina vokatry ny firehetan’ny Cité Prefat N Andrainjato, nataon’ny minisitry ny Fampianarana ambony, Pr Chaminah Loulla, nihaona tamin’ireo Conseils de direction koa ny tenany. Noresahina ny mahakasika ny lalàna mifehy ny fifidianana Filohan’ny Oniversite, ny ora fanampiny ary ny kalitaon’ny fampianarana. Noho ny olana ara-tsolika, […]
Taratry ny kanto
Anisan’ireo handray anjara amin’ny « Festival de rire 2025 » i Miranto Godar, mpanao hatsikana manana ny lazany, nipoitra tao anatin’ny dimy taona farany. Anisan’ny hahafantarana azy ny tsikiny vantany vao hita. Zary lasa anto-pivelomana ho azy moa ny hatsikana noho izay talentany izay ka lasa mpanao hatsikana matihanina sy […]






