Other News

Fanaraha-maso: hampiasaina ireo toby fandanjana fiarabe

Nahitana tsy fahatomombanana ny toby fandanjana fiarabe any Antsarakofafa Toamasina, satria mando lava ny toerana ka mila fitaovana fanampiny. Eo am-panatanterahana ny tolobidy hividianana izany fitaovana izany, ankehitriny, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena (tetikasa PDDR) sy ny Tahirim-bola ho an’ny lalana (FR). Misy koa ny drafitry ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) hanarenana […]

Fanambaram-pananana: azo atao amin’ny haitao ara-kajy mirindra

Adidy tsy maintsy ataon’ny mpiasam-panjakana ambony ny manao fanambaram-pananana eny amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco), efa nanomboka ny taona 2024. Tafa­petraka omaly, ny Vovonana niomerika hikirakirana ny antontam-baovao, raha natao tanana ny fikirakirana azy hatramin’izay. Nahatratra 77 274 ny fanambaram-pananana voarain’ny Bianco nanomboka ny taona 2004, nataon’ny […]

Drafitra nasionalin’ny spaoro: hiarahan’ny MJS sy ny federasionina manapaka

Niditra tamin’ny dinika faharoa ny teo anivon’ny minisite­ran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena niaraka tamin’ny Federasionina isan-tsokajiny, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Dinika nihainoana indray ireo filohan’ny federasionina manoloana ireo olana sedrain’izy ireo mba ho fampandrosoana ny fanatanjahantena malagasy. Teboka iray lehibe nivoitra ny mahakasika ny PNS (Plan national du […]

Andrianainarivelo Hajo: «Aza afenina ny tsy fahaizana»

Nitondra ny heviny manoloana ireo fanambarana samihafa na fanehoan-kevitry ny mpomba ny fitondrana ny filoha nasionalin’ny antoko Mala­gasy miara-miainga, Andria­nai­narivelo Hajo. “Aza afenina amin’ny fampihorohoroana ataonareo sy ny fandrahonanareo lava ny vahoaka ny tsy fahaizanareo mitantana sy ny fahantrana lalina novolenareo teto amin’ny firenena», hoy izy. Nanteriny fa tsy sanatria […]