Manohy ny fahombiazany hatrany ny Akomba de Madagascar, sokajy U14, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Afrika Aostraly, taranja tenisy. Nahazo fandresena fanindroany ny Malagasy rehefa nandresy an’i Angola. Nitohy omaly, tao amin’ny kianja Windhoek Namibie, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy isan-tarika, sokajy […]
Other News
Jean Nirina R. : « Tsy miova intsony ny voka-pifidianana »
Tsy misy voka-pifidianana miova izany intsony eo fa lainga ny ankoatra izay, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Hafari Malagasy, manoloana ny resabe miseholany etsy sy eroa momba ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo. Nambarany fa any amin’ny adihevitra momba ny tsy faneken’ny mpanohitra ny vokatra navoakan’ny Ceni ve ny resaka amin’izao? […]
« Chan 2025 »: tafara-bondrona amin’i Centrafrique ny Barea
Tontosa tao Kenyatta International Conventional Centre, Nairobi Kenya, omaly alarobia, ny antsapaka amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao milaravinahitra na ny «Chan 2024». Tafaraka ao amin’ny vondrona «B» ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves, Centrafrique. Tsy vaovao amin’ny Malagasy […]
Indray mijery
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi tany avaratra, nitondra tohana ho an’ny olona traboina 900 ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (Unfpa). Nisy ny fanentanana isorohana ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (VBG). Nizarana fitaovana manokana koa ireo vehivavy teny amin’ny toeram-pandraisana. Nitondra ny teny firariantsoa ho an’ny minisitry ny […]
Antson’ireo Malagasy any ivelany: “Tsy mendrika antsika izao zava-misy izao”
Nanao fanambarana ireo Malagasy anaty fikambanana 2CO2M any ivelany. Niantso ny hery eto amin’ny firenena izy ireo fa efa halohalika ny ranombary. “Tsy mendrika ny Malagasy izao zava-misy izao. Tena tsy rariny satria fanambaniana tsotra izao. Aleo maty mitsangana toy izay velona mandadilady “, hoy izy ireo. Voatsiahy amin’izany fa […]







