Antony iray mahatonga ny Malagasy « hitsingevana » amin’izay rehetra ataony, ny tsy fahalalana ny tantara. Mitombo isa miandalana, ohatra, ny Malagasy tsy mahafantatra akory ny tanin-drazany fa mialokaloka hatrany amin’ny hoe : « Malagasy aho, noho izany, Madagasikara no tanindrazako ». Tsy diso, saingy, tsy ampy. Ao koa ireo tsy manana intsony ny ambanivohitra […]
Other News
Androm-pirenena ho an’ny kabary: mpisehatra 189 nahazo ny mariboninahitry ny kanto
Tsy hoe lamaody ka be mpanao, fa kolontsaina ifandovana. Mbola maro mpandala ny kabary malagasy, raha notarafina tamin’ny isan’ireo mpisehatra notolorana ny mariboninahitry ny kanto, omaly. 15 janoary. Natokana ho Androm-pirenena ho an’ny kabary malagasy io daty io, nanomboka ny taona 2022. Ho fanamarihana izany, nisy ny lanonana notontosaina tetsy […]
Vaovao tambatra
Misakana ny tsy fisian’ny rano any amin’ny lemaky Bevoay ny fasika be loatra, fa tsy ny tetikasa fanamboarana ny tetezan’i Mangoky velively. Tsikaritra izany nandritra ny fidinana ifotony, tany an-toerana, nataon’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, ny alatsinainy 13 janoary teo. Vahaolana nangatahin’ny lehiben’ny distrika Morombe ny hanakisahana ny lalan’ny renirano, mba ho […]
Mitsapatsapa
Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly, ny fanambaran’ny kolonely iray izay efa mitsoa-ponenana. Nitaona ny miaramila hikomy sy hanohitra ny fitondrana izy. Nanontsana ny mpanao politika ingahy manamboninahitra. Nilaza ho mpanavotra an’i Madagasikara. Namaky bantsilana ny fifanarahana nifanaovany tamin’izany fotoana. Dia toa anjely tsy misy pentina ny filazany azy. Manolona izany, namaly […]
Dubai-Antananarivo: ho lasa in-6 isan-kerinandro ny zotra Emirates
Tsy mitsahatra mivoatra! Hitombo ho in-6 isan-kerinandro ny zotra fiaramanidina Emirates mampitohy an’i Dubai sy Antananarivo, mandalo atsy Mahe Seychelles, manomboka ny 2 avrily 2025 izao, raha in-4 izany ankehitriny. Nambaran’ny filoha lefitry ny fitantanan-draharaha Azia Andrefana sy ny ranomasimbe Indiana ao amin’ny kaompania Emirates, Essa Sulaiman Ahmad, omaly, fa […]







