Nijohy tokoa moa izany raorana tao anatin’ny andro vitsy, teto an-drenivohitra. Velombolo aoka izany ny olon-drehetra. Mba nionona tamin’ny kitatitaty rano amin’ny bidon sy ny sinibe. Niala tamin’ny filaraham-be tsy nahitam-bokany. Migalabona aloha raha rano hosotroina, ny handrahoana sy ny handroana. Raha milaza fa sahirana ara-drano dia efa mandainga sy […]
Other News
Jeneraly Ravelonarivo Angelo: «Tsy azo ekena ny fanakorontanana»
Mbola nanamafy indray ary hentitra ny eo anivon’ny prefektiora, omaly, manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao. “Tsy azo ekena ny fanakorontanana fa tany tan-dalàna isika. Tsy eken’ny lalàna ny fanaovana hetsika ivelan’ny voalazan’ny lalàna”, hoy ny Prefet de police, Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Nanteriny fa efa eo ny Fitsarana misahana ny […]
Minisitra Andriantsitohaina Naina: «Ho taonan’ny asa sy filaminana ny 2025»
Nanao rodombe tetsy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ireo governoran’ny faritra sy ny talem-paritra manerana ny Nosy. Napetraka tamin’izany ny tanjona sy ny fanamby hiatrehina ny asa amin’ity taona ity. Nirary soa ny minisitra Andriantsitohaina Naina, izy ireo ary nanolotra ny solombodiakoho amin’izao fahatongavan’ny taona vaovao […]
Tselatra
Lehilahy iray lasan’ny mpaka an-keriny tao Belavabary, kaominina Begisa, distrikan’i Brieville, ny alatsinainy 13 janoary teo. Novakin’ireo dahalo ny varavarana ka niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano izy ireo. Nentiny nanaraka azy io lehilahy iray io. Nanara-dia ny zandary sy ny fokonolona. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Miaramila matin’ny fitsaram-bahoaka tao Ranotsara […]
Nifanenjehin’ny UIR: jiolahy dimy maty voatifitra
Jiolahy dimy mpanao fanafihana mitam-piadiana ao Mahajanga tampon-tanàna lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Manoloana ny tsy fandriampahelamana niseholany tao amin’ny fokontany maromaro ao an-toerana, niara-niasa ny polisim-pirenena sy ny mponina. Nanao fisafoana tampoka teny amin’ny Gradin Mahavoky ny solontenan’ny polisin’ny UIR. Nifanena tamin’ny olon-dratsy izy ireo. […]







