“En chanson” – misokatra ny fisoratana anarana. Ity ilay fifaninanan-kira amin’ny teny frantsay, karakarain’ ny Alliance Française eto Madagasikara. Tsy hira noforonina akory, fa ireo hira amin’ny teny frantsay araka ny safidin’ny mpifaninana no hataony mandritra izany. Manana hatramin’ny 7 febroary ireo liana, hisoratany anarana eny amin’ny AFT Andavamamba. Tsy […]
Other News
Sehatra Bagasy 2025: hisy ny « Asaramanitra bagasy »
Sehatra Bagasy, vondrona ikambanan’ireo mpiangaly, mpitia, mpikajy, mpamelona, sns, ny bagasy. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana volana janoary sy febroary ny hanatanterahina ny « Asaramanitra bagasy ». Araka ny vaovao nampitain’i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra Bagasy, ny sabotsy 1 febroary, manomboka amin’ny 2 ora sy 30mn ka hatramin’ny 5 ora sy 30mn hariva, ao […]
Antoko mpihira Afatra: notsiahivina indray ny Epifania
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, ny « Antsa Epifania ». Fety kristianina natao ho fahatsiarovana ny famangian’ireo Magy an’i Jesoa Kristy tamin’ ny fahaterahany. Samihafa ny fiavian’ireto Magy ireto, araka ny raki-tsoratra hita tao amin’ ny « Excerpta latina barbari ». Nanatanteraka tahaka izany koa ny antoko mpihira Afatra […]
Tontolon’ny zavakanto: nodimandry i René Korodôgno, mivoy ny gadona Antosy
Ny zanak’i Sofia sy iny tapany avaratra iny mahay tsara ny talentany. Iray amin’ireo mbola nitana ilay filalaovana ny korodôgno mampiavaka ny gadona antosy i René, izay nodimandry ny alin’ny alatsinainy teo. Manan-talenta iray indray no nandao ny tontolon’ny velona. Nodimandry ny alin’ny alatsinainy, teo amin’ny faha-56 taonany, i René […]
Fantina sy fintina
Manana vahoaka ny Irmar matoa voafidy, araka ny nambaran’ny depiote Raholdina Naivo tetsy amin’ny Arena Ivandry, afakomaly. “Antsika kosa ny tanàna amin’izao. Tsy mahagaga raha lany ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, satria anisan’ny nampandany azy hatrany amin’ny 60 na70% izahay”, hoy izy. Nankahery ireo rehetra, tra-pahasahiranana noho ny fandalovan’ny rivodoza […]







