“Anton’ny nitakiana sy nangatahana ny vahoaka malagasy tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna hoe tohano ny kandidà manohana ny fitondrana: tsy mitady fahamarin-toerana politika intsony izao, fa efa mitady fampandrosoana”. Io ny fijerin’ny governoran’ny faritra Analamanga sady sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, tamin’ny faran’ny herinandro […]
Other News
Voka-pifidianana : Nisy nisandoka ny tranonkalan’ny Ceni
Namoaka fanambarana ofisialy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Vaomiera nasionaly misahana ny fifidianana Ceni fa nisy nisandoka ny tranonkalan’izy ireo, ny sabotsy 21 desambra teo. Nafamadiky ny olon-dratsy tamin’izany ny voka-pifidianana ben’ny tanàna ka nataon’ny mpisoloky ho nandresy ny kandidà laharana fahefatra ho an’ny eto an-dRenivohitra. Niova ho faharoa kosa ny […]
Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle: “Tombony ho an’Antananarivo ny fananana ben’ny Tanàna vehivavy”
Nitondra ny fijeriny momba ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina teo ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Tombony ho an’Antananarivo ny fananana ben’ny Tanàna vehivavy, araka ny nambarana. “Fantatsika fa tombony betsaka ho an’ny tanànan’Antananarivo ny fananana ben’ny Tanàna vehivavy”, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sady mpikatroka eo anivon’ny vovonana Isika rehetra […]
«Cours des dirigeants sportifs»: Federasiona 8 nanana solontena
Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny foiben’ny Komity olympika malagasy-Ivandry, ny fanolorana mari-pankasitrahana, ireo mpiofana nanaraka ny « cours des dirigeants sportifs », nokarakarain’ ny Kom. 17 mianadahy (11 lahy sy 6 vavy) no nisitraka izany fampiofanana izany, nanomboka ny fiandohan’iny herinandro iny ary nifarana ny sabotsy teo. Nampiavaka ity andiany […]
Judo-Mada 2024: Mpikatroka 257 nandray anjara
Notanterahina teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans sy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy Minimes hatramin’ny Seniors, taranja Judo. Mpikatroka 257, avy amin’ny ligy 7, manerana ny Nosy no tonga nandray anjara. Nambaran’ny filohan’ny federasiona, Bruno Eric Said, fa nisy ireo […]






