Other News

TSELATRA

Hotanterahina anio, eny amin’ny sekoly ambonin’ny Polisim-pirenena Ivato (ENSP), ny famindram-pibaikoana eo amin’ny kaomandin’ny sekoly. Hivoaka ihany koa ireo mpianatra ho manamboninahitra sy kaomisera. Hanome voninahitra ny lanonana sady hitarika izany ny filoha faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry, sy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Lasan’ny jiolahy ny vola 10 tapitrisa […]

Manakan-dalana amin’ny alina : Notanana am-ponja ireo efa-dahy

Tsy ampy taona avokoa, natao famotorana ka notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ireo efa-dahy tra-tehaky ny zandarimaria tao amin’ny kaominina Maevatanàna. Manararaotra ny haratsian-dalana, miandry ireo fiara taksiborosy mifamevezivezy amin’ny lalam-pirenena fahefatra sy fahenina izy ireo. Torahan’izy ireo amin’ny alalan’ny vato ny fiara mandalo ka taksiborosy no tena kendreny. Za-dratsy, […]

Sambava : Zazalahy natelin’ ny ranomasina

Nilalao teo amoron-dranomasina, mbola tsy hita popoka tao anatin’ny telo andro, taorian’ny nanjavonany ilay zazalahy tao Sambava. Nanamorona ny rano io zazalahy vao valo taona monja io. Tsy nanampo na inona na inona rahateo ny ray aman-dreniny noho ireo zaza efa zatra milalao amoron-dranomasina. Tampoka, nosintomin’ny onja io zaza io. […]

Nisoloky ny mpampiasa azy : Olona roa nandroba 230 tapitrisa Ar

Namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana ny olona roa voampanga tamina raharaha fivadiham-pitokisana nandritra ny fitsarana ny raharaha ady heloka bevava tao Toamasina, omaly. Ny antontan-taratasin’ady notsaraina voalohany tao amin’ny fitsarana ity niampangana an-dRavaoarihanta Antoinette ity, araka ny dosie laharana faha 96-Toa/24. Mpiasa tao amina tranombarotra iray mpivarotra ambongadiny momba ny lamba […]