Other News

Lalana Ifasy sy Mahavavy: Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana RN6

Vita ny 7 desambra teo ny asa fanarenana ny lalana vonjimaika, fiampitana eo amin’ny tetezan’Ifasy (PK 537+329) sy any amin’ny tetezan’i Maha­vavy (PK 568+720). Samy any amin’ny lalam-pirenena faha-6 ireo, ka nanatanteraka azy ny orinasa Colas. Tsiahivina fa tapaka ny tetezana roa vokatry ny rivodoza farany teo, tamin’ity taona 2024 […]

Masomboly : Fiaraha-miasa amin’i Korea

Manohana an’i Madagasikara amin’ny famokarana karazana masomboly mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro ny Repoblikan’i Korea Atsimo. Tanjona koa ny hahafahan’i Mada­gasikara manondrana vokatra any ivelany. Nampaha­fan­tarina ny 6 desambra teo ny fanombohana ny tetikasa « Knowledge Sharing Program » (KSP), ho an’ny taona 2024-2025. Iarahana amin’ny Ivontoerana Institut KDI, rantsamangaika eo ambany fiahian’ny […]

Fiompiana antsokosoko: Varika miisa 3 tratra tao amin’ny toeram-pialamboly eny Itaosy

Misy tsy mety fay mandika lalàna mihitsy ny sasany amin’ny fitazonana any an-trano biby tsy fiompy. Tsy mandefitra na kely aza ny fanjakana. Tratra tao amin’ny toerana fialamboly iray eny Itaosy, ny sabotsy 7 de­sambra teo, ny varika miisa telo, notazonina antsokosoko. Angom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no namantarana […]

Harisoa Christiane: 13 taona tao anaty ekipa nasionaly, taranja Basikety

Minaoharisoa Jaofera Christiane, Malagasy mpanao basikety voafidy ho mpilalao mendrika indrindra, nandritra ny Africa Cup 3×3 natao teto Madagasikara, ny herinandro lasa teo. 13 taona izy izao no tao anatin’ny ekipa nasionaly ary anaram-boninahitra maro no efa norombahiny. Tany amin’ny taona 2013 i Christiane no nanomboka nanao basikety ary nandray anjara […]

Taranja tolona: nahazo fankatoavana tamin’ireo ligy ny fitantanan’ny Federasiona

Notontosaina teny amin’ny IFM Analakely, ny zoma lasa teo, ny fivoriana ara-potoan’ny Federasiona malagasin’ny tolona (FML), izay tarihin-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny FML. Nambaran’ity lehiben’ny rafitra federaly ity fa nankatoavin’ireo mpitantana ny ligy dimy mandrafitra ny federasiona, ny tatitra ara-bola sy ny teknika ary ny ara-moraly, izay nataon’ny federasiona. Anisan’izany ny ligin’Anala­manga, […]