Other News

Vaky Boky : tonga eto amintsika ny fampirantiana « Lire donne des Ailes »

Anisan’ny mitaiza sy manabe ankizy ny boky. Mahaliana kokoa anefa izany raha misy ny sary, izany indrindra no nahatonga ny tomponandraikitry ny “Lire donne des Ailes” hanatontosa ity hetsika ho fandavorariana ny fanabeazana ity. Tanterahina eny amin’ny Institut français de Ma­dagascar (IFM Anala­kely), manomboka anio hatramin’ny 13 janoary 2024, ny […]

Fanodinana harona plastika : kolontsaina aparitaka amin’ny fanabeazana

Nanatanteraka soniam-piaraha-miasa tetsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny faran’ny herinandro teo, ny fikambanana Kolokitra sy sekoly roa. Izay vonona ho modely amin’ny fikirakirana ny fako sy ny harona plastika. Izay niaraha-niasa tamin’ny masoivohon’i Allemagne sy ny CGM. “Anisan’ny kolontsaina iray ny fanaparitahana ny fanodinana fako sy harona plastika amin’ny […]

Zon’olombelona: mitaky ezaka amin’ny fanjakana ny ONU

Nomarihina omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’olombelona raha tokony ho ny 10 desambra teo izany. Notanterahina teny Andohatapenaka ny hetsika niarahana tamin’ny Firenena mikambana (ONU) sy ireo mpisehatra rehetra, toy ny fiarahamonim-pirenena sy fikambanana samihafa. “Mbola mila ezaka lehibe ny governemanta sy ny fiarahamonim-pirenena momba ny fanajana ny zon’olombelona”, […]

INDRAY MIJERY

Tontosa ny atrikasa nitondrana fanavaozana ny drafitra hiatrehana ny hamehana mahakasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ho an’ny faritra Atsimo Andrefana. Nitarika ny fivoriana ny Préfet-n’i Toliara ary nandray anjara ireo talem-paritra, lehiben’ny distrika rehetra ary ireo solotenam-panjakana. Nano­trona koa ny teknisianin’ny BNGRC. Tanteraka ny fiofanana niarahana tamin’ireo […]

Ankadinondry Sakay sy Analavory: Nahazo milina mpamokatra mena-boanjo

Hamokatra mena-boanjo 5000 litatra isam-bolana ny taninketsa indostrialy nape­traka ao Ankadinondry Sakay, raha toa 2000 litatra izany nandritra ny andrana natao. Vonona hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana ny ben’ ny Tanàna ao an-toerana raha nilaza kosa ny solombavambahoaka voafidy tao Fenoa­rivobe, Randrianarisoa Bien Aimé Arsène, nandritra ny fametrahana ny taninketsa indostrialy, ny […]