Ankadinondry Sakay sy Analavory: Nahazo milina mpamokatra mena-boanjo

Hamokatra mena-boanjo 5000 litatra isam-bolana ny taninketsa indostrialy nape­traka ao Ankadinondry Sakay, raha toa 2000 litatra izany nandritra ny andrana natao. Vonona hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana ny ben’ ny Tanàna ao an-toerana raha nilaza kosa ny solombavambahoaka voafidy tao Fenoa­rivobe, Randrianarisoa Bien Aimé Arsène, nandritra ny fametrahana ny taninketsa indostrialy, ny faran’ny herinandro teo, fa maro no hisi­traka ny tetikasa. Notohizany fa ho avy hivarotra ny voan­jony any an-toerana avokoa ireo tantsaha any amin’ny faritra hafa, toy ny distrikan’i Fenoarivobe noho ny faritra nisitraka milina. Mivondrona ao anatin’ny kaoperativa Soa iombonana Ankadinondry (KSIA) ireo tantsaha mpam­boly voanjo mamatsy akora fototra ny milina famokarana menaka. Araka izany, hahita lalam-barotra no hahazo tombontsoa amin’ny famokarana ataony. Ankoatra izay, nisitraka ny milina mamokatra voanjo ihany koa ny kaominina Ana­lavory, distrikan’i Miarinarivo, ny sabotsy teo. Hanampy amin’ ny fampiroboroboana ny famokarana ny tetikasa noho izy hampihena ny fanafarana menaka avy any ivelany fa indrindra amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka. Hanampy amin’ny fahazoana sakafo ho an’ny kisoa sy ny akoho ihany koa ny fanodinana voanjo any an-toerana.

Henintsoa H.

Partager sur: