INDRAY MIJERY

Tontosa ny atrikasa nitondrana fanavaozana ny
drafitra hiatrehana ny hamehana mahakasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ho an’ny faritra Atsimo Andrefana. Nitarika ny fivoriana ny Préfet-n’i Toliara ary nandray anjara ireo talem-paritra, lehiben’ny distrika rehetra ary ireo solotenam-panjakana. Nano­trona koa ny teknisianin’ny BNGRC.

Tanteraka ny fiofanana niarahana tamin’ireo mpanabe, talen-tsekoly, mpampianatra ary ray aman-dreny momba ny fampiasana ny fitaovana hita ao anatin’ny « mallette pédagogique spéciale » autisme, natao tao Fianarantsoa. Fitaovana natao hanampiana ireo zaza hafakely amin’ny fampivoarana ny saina sy fanabea­zana azy, tafiditra amin’ny tetikasa « Soahay » tonto­sain’ny fikambanana Autisme Madagascar

Nanao fampahatsiahivana ny CIRGN Antananarivo, ao amin’ny pejy facebook-ny, ho an’ireo sekoly sy sampandraharaha sivily sy miaramila mahakasika ny fanajana ny fananganan-tsaina. Izay rehetra mahatazana iny saina iny sy ny manamorona azy na tsy mahita aza dia tsy tokony hamindra intsony amin’ny fotoana fiakaran’ny saina. Mitsangana ary manala satroka. Midina eo ambony moto na bisikileta….

Noraisina an-tànana maimaimpoana avokoa ireo
tratran’ny fanapoizinana ara-tsakafo tao amin’ny kaominina ambonivohitry Mananjary, vokatry ny fihinanana “mayonnaise” tanaty kompoze. 17 no niditra hopitaly ary 4 tamin’izy ireo no efa nody

Partager sur: