Other News

Mpaminany tapany…: ho levona ny teny malagasy?

Hatramin’izao taona 2024 izao, mbola vitsy ireo boky mirakitra ny tantaram-pirenena ka Malagasy no nanoratra azy. Izay kely mba hita eny amin’ny fivarotam-boky indray, voasoratra amin’ny teny vahiny avokoa. Fa naninona raha nosoratana tamin’ny teny malagasy? « Tsara ny hisian’ny boky tahaka itony mba hahalalan’ny taranaka ny tantaran’ny firenena », hoy ireo […]

« Urban Heart », andiany fahadimy : nampivondronana ny kolontsaina an-tanàn-dehibe

Hetsika ara-kolontsaina nahasarika mpankafy malagasy maro ny “Urban Heart”. Nampisehoana ireo karazana kolontsaina an-tanàn-dehibe amin’ny endriny maro. Tontosa omaly, tetsy amin’ny zaridainan’Anosy, ny hetsika « Urban Heart », andiany fahadimy. He­­tsika ara-kolontsaina maroloko, nokarakarain’ny Cercle Germano Malagasy (CGM). Misy ny fiaraha-miasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nahafahana na­nantanteraka ny hetsika. Fo­toana iray nahafahana […]

Kaikitry ny saka sy ny alika : mahafaty olona ny haromotana raha tsy voatsabo ara-dalàna

Vitsy ny olona ma­hafantatra ny aretina haromotana eto Mada­gasikara. Azo avy amin’ny viriosy avy amin’ny biby toy ny saka, alika, izany. Mita­rika amin’ny fa­hafatesan’ ilay olo­na satria tsy mbola misy ny fanafody manokana hiadivana amin’izany. Aretina azo avy amin’ny viriosy ary mifindra amin’ny alalan’ny kaikitra na lelaka amin’ny fery na […]

FANTINA sy FINTINA

Namoaka fanambarana ny AKFM Anta­na­narivo, ny faran’ny herinandro teo, fa manohana ny kandidà lah.7 atolotry ny vondrona Irmar ho ben’ny Tanàn’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Fitaratra eo amin’ny fahavononany hiasa sy hanatontosa ny hanatanteraka ny fandaharanasa mifanojo amin’ny lalam-pivoaran’ny fiainam-pirenena ankehitriny. Lany tsy nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona ny lalàna mifehy ny […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Hampitomboina ny taham-bokatra”

“Ny zava-dehibe dia izao: hampiakarintsika ny taham-bokatra eto Madagasikara. Amin’izay fotoana izay, mahazo mivelona tsaratsara ny vahoaka malagasy. Afa-miahy ny fianakaviana izy eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny fanabeazana, indrindra ny fiainana sy fihariana.” Izay no nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian tany Feno­arivo Atsinanana, faritra Analanjirofo, afakomaly, tamin’ny fankalazana ny Androm-pirenena […]