Efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny RN 6, fivilian-dalana any amin’ny tetezana Ifasy, PK 537+329, nanomboka omaly hariva. Tapaka mantsy ny lalana, taorian’ny orambe ny alahady teo. Mitohy ny asa fanamboaran’ny orinasa Colas, ary misy ny fandaminana sy ny fanaraha-maso ataon’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Misitraka herinaratra avy amin’ny masoandro ny […]
Other News
Fanabeazana ara-bola: ampirisihina hampiasa vola ny olona
Niompana tamin’ny fanabeazana ara-bola ny fivoriamben’ny mpikambana ao amin’ny sampana ara-bola madinika na mikraofinansa Smmec, ny sabotsy teo. Niompana tamin’ny fanomezana azy ireo hahay hitantana ny volany araka ny tokony ho izy ny fiofanana, naharitra adiny iray sy sasany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampirisihana azy ireo hitahiry sy hampiasa vola. […]
Harena an-kibon’ ny tany: misy ny fikaonandoha mahakasika ny fitrandrahana vaventy
Hatao manaraka ny vanim-potoana ny lalàna mahakasika ny fitrandrahana vaventy ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara (LGIM). Ilaina izany taorian’ny nanavaozana ny lalàna ny jolay 2024 teo. Natao teny amin’ny efitrano malalaka, Mining Business Center (MBC) Ivato, omaly 2 desambra, ny fikaonandoha mahakasika ny fitrandrahana vaventy ny harena ambanin’ny tany. […]
Fivontosana eo amin’ny taovan’olombelona : 60 taona eo ny lehilahy, betsaka voan’ny homamiadan’ny prostaty
Aretina iray tsy dia be mpahafantatra ny homamiadan’ny prostaty. Aretina voalohany mpahazo ny ankamaroan’ny lehilahy izy io, izay miseho amin’ny fivontosana eo amin’io taova io. Anisan’ny homamiadana voalohany indrindra mpahazo ny ankamaroan’ny lehilahy eto Madagasikara ny prostaty, raha ny fanadihadiana nataon’ny Association d’appui à la radiothérapie et l’oncologie de Madagascar […]
FANTINA sy FINTINA
Mitohy hatrany ny fanabeazana sy fanentanana ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fifidianana ataon’ny Ceni. Nisy ny hetsika manokana fanomezana karapanondro sy kara-pifidianana ho an’ireo mpifidy traboina tao Ivandrika Farafangana, omaly. Ny filohan’ny Ceni, i Dama Arséne, no nitarika izany tany an-toerana niaraka tamin’ireo olom-panjakana sy tomponandraikitra avy ao an-toerana. “Taom-pahombiazana […]






