Mikatona manomboka ny voalohan’ny volana desambra 2024 misasakalina ka hatramin’ny 28 febroary 2025 misasakalina ny jono makamba na tsitsika manerana ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Noho izany, antsoina hanambara ireo tahiry ananany manomboka ny 30 novambra ka hatramin’ny 9 desambra, eny amin’ny biraom-paritry ny jono sy ny toekarena manga akaiky azy, ireo […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Hiroso amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Tanteraka izany noho ny fiaraha-miasan’ny fikambanana sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), natao sonia ny 22 novambra teo. Anisan’ny voarakitry ny fiaraha-miasa ny fampiofanana ny mpikambana ao amin’ny Fimpima. Ifantohana manokana ny lafiny fambolen-kazo ala […]
Fiovan’ny toetr’andro : Miova ny fomba fambolem-bary
Tsy maintsy atrehina ny fiovan’ny toetr’andro. Mahatsapa izany ny tantsaha any amin’ny fokontany Avaradrano, kaominina Manakambahiny, distrika Ambatondrazaka. Misongadina ny zava-bitan’ny fikambanana Avotra, mampihatra ny fambolem-bary afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Tanteraka izany noho ny tohana nomen’ny Conservation international (CI), nampiofana ny fomba fambolem-bary manara-penitra. Anisan’ny nisitraka izany Raholdina Maxime, […]
Lasa orinasa afrikanina : Niova anarana ho Yas ny Telma
Maro ny vitan’ny orinasa Telma nandritra ny 20 taona nisiany. Niova anarana ho Yas, sady lasa orinasa hita any amin’ny firenena afrikanina efatra hafa. Nitondra fivoarana maro sy haingana teo amin’ ny tontolon’ny fifandraisan-davitra teto Madagasikara ny orinasa Telma, ao anatin’ny vondrona Axian, hatramin’ ny naha orinasa tsy miankina azy […]
Muay Thai Tournament : nangotraka ny katrok’ady
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Henri Fraise Ankorondrano, ny fifaninanana “Muay Thaï Tournament”.Nangotraka ny katrok’ady teny an-toerana, nanomboka teo amin’ny sokajy -30kg hatramin’ny 100kg. Ady anisan’ny nandrasan’ ny maro ny fifandonana teo amin’ ny Nounours (GISL) sy i Panda (Dam)/ sokajy 100kg. Nivoaka ho mpandresy, tamin’ny KO, i […]






