Other News

Fandraharahana : misokatra ny village SAE voalohany eto Madagasikara

Mizara ireo tosika ataony mandritra ny roa andro hampiroboroboana ny fandraharahana eto amintsika ireo rafitra mpanohana mpandraharaha avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Hita mandritra ny roa andro, etsy amin’ny Kianja Barea Mahama­sina, ny fikambanan’ireo mpanohana ny fandraharahana, «Village des structures d’accompagnement d’entreprises» (SAE). Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny […]

Mpitsoa-ponenana : Sambo nitondra somalianina rendrika tao Nosy Iranja

Rendrika tao amin’ny fari-dranomasina ao Nosy Iranja, omaly, ny sambo nitondra teratany somalianina. Efa natsingevan’ny rano ny sambo nitondra azy ireo sady efa nahitana olona maty koa tao anatiny. Nahita izany ny sefo fokontany ao Nosy Iranja, kaominina ambanivohitr’i Be­manevika Andrefana, distrikan’ Ambanja, ka nampandre haingana ny zandary avy ao […]

TARATRY ny KANTO

Hanao fampisehoana ireo mpianatra mpitendry amponga maroanaka, mpianatr’i Mendrika Rasolo­mahatratra. Rahampitso manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny CGM Analakely, izany. Fanaon’ny sekoly, mba hanomezana sehatra voalohany ireo mpianatra ao aminy, ny haka endrika fitsapam-pahaizana. Nodimandry Rabarivola Andriamihaja, fantatra amin’ny anarana hoe Ndrema. Mpanakanto izy ary zanak’i Romule tao amin’ny Kintana […]

“Kalo Gasy…Iray fitempo”: hiray sehatra ny Zandry Gasy sy ny M’iray Kalo

Famohazana, famelomana, fanandratana, fampitiavana ary fanapariahana ny hira malagasy. Mitovy tanjona ny tarika zandry Gasy sy ny M’iray Kalo amin’izay, ka nahateraka ny tetikasa “Kalo Gasy… Iray fitempo”. Fam­pisehoana izay hotontosaina ny sabotsy 30 novambra izao izy ity, eny amin’ny Arena Ivandry. “Kalo Gasy”, satria hifandimby an-tsehatra ao ny ba […]

«Slam national XV» : vahiny maro no handray anjara amin’ny hetsika

Mivoatra sy mihatsara ary miha matihanina hatrany ny hetsika “Slam national”. Miditra amin’ny andiany faha-15 ny hetsika amin’ity taona ity. Hampiavaka izany ny fisian’ireo vahiny mpiangaly “Slam poèsie” maro manana ny lazany maneran-tany sy manana ny maha izy azy eo anivon’ny firenena niaviany. Anisan’izany i Marc Smith avy any Etazonia, […]