Other News

Jeux vidéo eto Madagasikara : nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Ligue PUGB mobile 

Manomboka izao, hatao manara-drafitra sy matihanina ny «jeux vidéo» eto Madagasikara. Araka izany, napetraka ny Ligue PUGB mobile hikarakara ireo fifaninanana sy ny mpilalao. Hisokatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ny fihaonana rehetra. Nampahafantarina ny zo­ma lasa teo, tetsy amin’ny IFM Analakely, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Ligue PUBG […]

capitaine de vaisseau Berarazana PATRICIO: nandray ny toeran’ny Talen’ny fiarovana

Tontosa omaly, teny amin’ ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA) eny Ampahibe, ny fifamindram-pitantanana arakasa teo amin’ny sampandraharaha misahana ny fiarovana eo anivon’ny MFA. Misolo toerana ny tale teo aloha, ny Jly Jaonasy Autruck, ny tale vaovao, ny capitaine de vaisseau Berarazana Patricio. Lano­nana nizotra teo ambany fitarihan’ny tale jeneraly misahana ny […]

Kaominina Antananarivo Renivohitra : Alexandre Georget no PDS vaovao

Voatendry ho filohan’ny delegasionina manokan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, omaly, i Alexandre Geor­get. Izy, araka izany, no handimby an’i Harilala Ramanantsoa amin’ny fitantanana ny Renivohitra mandra-pahazoan’ny kaominina ben’ny Tanàna vaovao. Ity filohan’ny delegasionina manokana vao voatendry ity izay filohan’ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara ary efa minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana […]

Safidy : «Mila mahalala ny andraikiny sy misitraka ny zony ny antoko politika»

“Misy ny antoko politika manatona anay manao hoe: mety ve raha manara-maso ny fifidianana miaraka aminareo izahay? Nefa antoko politika izy”. Io no nambaran’ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Dé­sirée Marie Stella, teny Am­batonakanga, omaly, ny amin’ ny hoe mila fanofanana ny antoko amin’ny […]

Airtel Money-Cart’In: azo aloa amin’ny finday ny entan’ny Amazon

Vita sonia ny 11 novambra teo, ny fifanarahana eo amin’ny orinasa Airtel money sy ny Cart’In. Azo atao, ankehitriny, ny man­doa ny vidin’entana any amin’ny tranombarotra lehibe any ivelany Amazon, amin’ny alalan’ny finday. Tanjon’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny ha­­nomezana tolotra sahaza ny re­hetra sy azo antoka, hampitomboana ny fikirakirana ara-bola. […]