Mahatratra 70% ny vokatra azo avy amin’ny jono madinika eto Madagasikara. Mamelona olona 1 500 000 izany ary mampidi-bola 3 miliara Ar ao anatin’ny kitapombolam-panjakana. Azo avy amin’ny jono madinika ny ankamaroan’ny vokatra eto amintsika saingy amidy eny amin’ny tsena anatiny avokoa ny 60% amin’izany Azo avy amin’ny jono salantsalany ny 7% […]
Other News
« PLFI 2025 »: 562 miliara Ar ny tetibola ho an’ny angovo
Laharam-pahamehana ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (PLFI) 2025 ny sehatry ny angovo sy ny famokarana. Hanova famindra tanteraka ny fitondram-panjakana ka ho « ampitomboina 562 miliara Ar ny tetibolan’ny minisiteran’ny Angovo ho fanampiana ara-pitaovana ho an’ny famokarana herinaratra », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly, […]
Global Entrepreneurship Week (Gew) 2024: Kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny fandraharahana
Antoka ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fahaiza-manaon’ny tanora ny fandraharahana. Hitondra ny anjara birikiny ho an’ny fampivelarana izany ny fankalazana ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (Gew). Fotoana iray hampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (Gew) 2024. Tanjona ny hampirisika ny tanora sy […]
Tetikasa Volobe: Tafatsangana ny birao fiasana
Miroso ny fanatanterahana ny tetikasa Volobe. Notokanana ny 15 novambra teo ny birao hiasan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa Kaompania jeneraly mahakasika ny tohodranon’i Volobe (CGHV) any Ambodimanga, kaominina Ambodilazana, Toamasina II. Napetraka tamin’ny 8 aogositra ny vatofototra, ka naharitra 3 volana ny asa amina velaran-tany 800 m2. Hanana tanjaka 120 […]
Kianja Barea: hiaraka ny Tsenaben’ny fizahantany sy ny asa tanana
Hatao miaraka ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 21, ny 22 ary ny 23 novambra ho avy izao, ny Tsenaben’ny fizahantany (TBF) andiany faha-8, sy ny Tsenaben’ny asa tanana (TBA) andiany voalohany. Miaraka mikarakara azy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany (ONTM) ary […]






