Other News

Vahaolana ifotony

  Mbola maizimaizina be ihany ny tabilao ny amin’ny famahana tanteraka ny olana amin’ny famatsian-jiro sy rano? Eny, na tsy takona afenina aza ny ezaky ny tomponandraiki-panjakana isan-tsehatra amin’ny famahana olana. Vahaolana no ilaina fa tsy ny fampitsaharana na fampanginana ny fitarainan’ny vahoaka ny amin’izany. Zaza tsy mitomany tsy mahazo […]

Hafatry ny fivondronamben’ny eveka: “Omeo hisitraka ireo filana fototra ny vahoaka”

Nifarana omaly ny fivorian’ny Fivondronamben’ny eveka fanao isaky ny volana novambra. Nampita hafatra izy ireo tamin’izany ka nisongadina ny lafiny sosialy sy ny politika. “Asa fa tsy kabary no andrasana aminareo. Omeo fahafahana hisitraka ireo filana fototra sy filana andavanandro ny vahoaka: sakafo, kojakoja, jiro sy rano, tontolo iainana, fahasalamana, […]

TSELATRA

Renim-pianakaviana naratra mafy voafaokan’ny taksibrosy mampitohy an’Antananarivo sy Ambondro­mamy, teo amin’ny PK 245, tao Antsiafabositra, kaominina Maevatanàna, afakomaly. Nentina namonjy ny CHRR ao an-toerana notsaboina io niharan-doza io. Niara-nosamborin’ny zandary ny mpamily taxi-be iray mampitohy an’i Vasaccos sy Ivato sy ny mpanampy azy, afakomaly. Nahenoana fofon-toaka sady nandeha mafy izy […]

Vavatenina : taolam-paty hita tao anaty gony

Milanja 4 kg ny fitambaran’ ireo taolam-paty nisy nahita tao amin’ny fokontany Ambo­di­vato II, kaominina ambanivohitr’i Tanamarina, distrikan’i Vavatenina, omaly tolakandro. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany Ambodivato ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Vavatenina momba ny fisian’ireto taolam-paty hita tao amin’ny toerana antsoina hoe Papaimena, 400 metatra atsimo atsinanan’ny tanànan’i […]

Naiditra am-ponja : olona 24 tratra nitondra rongony 2 taonina

Nodorana omaly, taorian’ny fahavitan’ny famotorana rehetra, ireo rongony milanja 2 450 kg tratran’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambilobe. Nodorana tao Andavakatsantsa, fokontany Matiakoho, distrikan’Ambilobe, ireto zava-mahadomelina efa milanja 2 taonina mahery ireto. Nanatrika izany ireo solontenam-panjakana ao an-toerana nahitana ireo Olobe, ireo tomponandraiki-panjakana, ny zandarimariam-pirenena. Marihina fa olona 26 no […]