Nifarana omaly ny fivorian’ny Fivondronamben’ny eveka fanao isaky ny volana novambra. Nampita hafatra izy ireo tamin’izany ka nisongadina ny lafiny sosialy sy ny politika.
“Asa fa tsy kabary no andrasana aminareo. Omeo fahafahana hisitraka ireo filana fototra sy filana andavanandro ny vahoaka: sakafo, kojakoja, jiro sy rano, tontolo iainana, fahasalamana, fanabeazana, fandriampahalemana, lalana, fahazoana maneho hevitra ankalalahana…”. Io no hafatra ho an’ny mpitondra tamin’ny fanambaran’ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara, teny Ambatoroka, omaly, taorian’ny fivoriana nandritra hafoloana. Toe-tsaina tsy mahazaka ny fahoriam-bahoaka ka hampandefitra ny hambom-po politika sy ny tombontsoa manokana no andrasana amin’ny mpitondra marina. Drafitrasa mazava sy mitohy ary maharitra no ajoro mba hialana amin’izao fangirifiriana tafahoatra izao.
“Tsy matoky ny mpitondra intsony ny vahoaka ka miraviravy tanana, ary samy manao izay ahazoany mivelona amin’ny fomba rehetra”, hoy ny fanambarana. Sanatria ve atao izay hampahantra ny Malagasy mba hampanan-karena olom-bitsy? Inoana ihany anefa fa misy amin’ireo mpitondra mandre mangirifiry manoloana an’izao fahantram-bahoaka izao, ary hanao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fitadiavam-bahaolana faran’izay maika sy mahomby ary maharitra. Fampivoarana ny tanjon’ny politika. Tsy azo ialana ny politika raha te hampivoatra firenena, araka ny voalazan’ny papa Fransoa. Fiahiana ny soa iombonana ny hevitry ny politika, indrindra ao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Tsy fotoana ifanambakana na hifanararaotana izao
Ho an’ny vahoaka: ialana ny toe-tsaina miandrandra lava ny mpitondra, atrehina sy atao amim-pitiavana sy hitsim-po izay manandrify ny tena amin’ny fampivoarana ny firenena. Tsy fotoana ifanambakana sy ifanararaotana izao. Ny fahaizan’ny vahoaka mifanaraka sy mifampitsinjo no antoka hampandry fahalemana sy hampandroso an’i Madagasikara.
R. Nd.




