Tsy afa-bela amin’ny raharaha fahafatesan’ny zazavavy 6 taona ny zanaky ny rahalahin-drainy. Hiakatra fitsarana ao Fianarantsoa, anio, ny lehilahy iray voatondro ho nahavanon-doza ka nahavitra namono ny anabaviny. Tsy olon-kafa mantsy, zanaky ny rahalahin-drainy ihany ilay zazavavy enin-taona niharan’ny fanolanana niaro vono olona. Nampiahiahy ny fianakavian’ny lasibatra ny fihetsik’io tovolahy […]
Other News
Marotsipoy : Basy Mas 36 azon’ ny zandary
Isan’ireo manamboninahitra nitarika mpitandro filaminana nandritra ny hetsika opération coup de poing tany amin’ny distrikan’Ankazobe, Marotsipoy ary Anjozorobe ireo manamboninahitra avy ao amin’ny andiany faha-48 tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe. Hetsika nentina niadiana sy namongorana ny fakana an-keriny eny ambanivohitra izany. Vokatra azon’izy ireo tamin’izany ny basy Mas 36 iray […]
Firehetan’ny seranam-piaramanidina Ivato: vokatry ny afon-tsigara!
Voalazan’ny loharanom-baovao fa afon-tsigara no ahina ho nampirehitra ny seranan’Ivato. Kila tamin’izany ny fiaramanidina dimy sy helikoptera iray. Mitohy ny fanadihadiana! Afon-tsigara, nandoro ny bozaka tao anatin’ny ny seranam-piaramanidina no voalaza fa mety ho niteraka ny fahamaizana teny Ivato, afakomaly. Fantatra izany taorian’ ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny mpitandro filaminana tamina […]






