Mitondra ny anjara birikiny amin’ny famahana ny olan’ireo firenena ao anatin’ny Sadc, misedra krizy i Madagasikara. Izany dia taratry ny fananantsika toerana manan-danja eo amin’ny sehatry ny diplomasia. Notontosaina tao Harare Zimbabwe omaly, ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny Fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy ny governemanta anatin’ny Sadc. Anisan’ny nandray anjara […]
Other News
Fampielezan-kevitra : mila porofo ny fitarainana
Efa ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina hatao amin’ny 11 desambra izao. Na somary mbola nangingina aza ny fanombohana omaly fa ny petadrindrina no betsaka, raha ho an’ Antananarivo Renivohitra, ohatra, misy ny didy aman-dalàna mifehy izany. Fampahatsiahivana ankapobeny araka ny 55 ka hatramin’ny 119 ao […]
Fandikan-dalàna amin’ny propangady: mampitandrina ny prefet de Police Antananarivo
“Hanao tatitra any amin’ny Ceni izahay, fa manjary manome ohatra ratsy izay”. Io ny nambaran’ny prefet de Police, Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, manoloana ny fandikan-dalàna nataon’ny kandidà lah. 4, Ravalomanana Tojo, mbamin’ny mpomba azy tamin’ny fanombohana ny fampielezan-kevitra, afakomaly. Nandalo teny amin’ny araben’ny Fahaleovantena, Analakely ry zareo, raha avy […]
Ramiarondrabe Hajason: “Aoka mba tsy ho voavidy amin’ izay mety hanovana ny safidy”
Ao anatin’ny fampielezan-kevitra izao. Mandeha ny fanehoan-kevitra, fizarana fanomezana, fampisehoana… Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny filohan’ny Fikambanan’ ny tanora mandala ny fahamarinana mba ho fampandrosoana ny firenena (FTMF) eo anivon’ny Safidy, Ramiarondrabe Hajason. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao, inona no tokony hataon’ny olom-pirenena? Ramiarondrabe Hajason (-): […]
Faritra Antsinanana : niakatra ny haavo lentan’ny kolontsaina maro loko
Niakatra amin’ny haavo lenta indrindra manerantany ny lafiny ara-kolontsaina sy ny soatoavina, ary ny fahasamihafana ao amin’ny faritra Antsinanana. Taorian’ny hetsika ara-kolontsaina nokarakarain’ny vovonan’ny tanora “Vagnona” ny 16 novambra lasa teo tany an-toerana. Fotoana nampisehoana hetsika samihafa sy valandresaka nanomezan-danja ny kolontsaina izany. Azo lazaina fa nahenika ny firenena iray manontolony hetsika, […]






