Other News

VAOVAO TAMBATRA

Manomboka androany ka haharitra telo andro ny tsenaben’ny fizahantany andiany fahavalo sy ny tsenaben’ny asa tanana andiany voalohany. Hita eny amin’ny kianja Barea Mahamasina avokoa ireo mpikarakara fivahinianana misehatra amin’ny fizahantany sy mpanao asa tanana matihanina maro manome lanja ny vita malagasy. Hitombo 5% ny fitomboan-karena, araka ny voasoratra anaty […]

Fisondrotry ny haba 0,5% : toherin’ny mpandraharaha Mobile Money

Tsy manaiky ny fisondrotry ny haba +0,5%, alaina amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday (mobile Money), ireo mpandraharaha telo. Araka ny fanambarana iombonana na­taon’izy ireo, afakomaly, ho lasa vesatra ho an’ny mpanjifa ny fikasan’ny fitantanana foibe ny hetra. Mety hampisondrotra avo roa hatramin’ny dimy heny ny saran’ny fifanakalozam-bola alain’ireo toerana Cash point, […]

Hafa ny manam-piniavana

  Ho tapitra sahady ny 100 andro, ho an’ireo minisitra notendrena farany teo. Hatreto tsy hita mihitsy aloha ny tena zava-bitan’ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Azo isaina amin’ny ratsan-tanana ny departemanta mba mahavita asa mivaingana. Ny fanapariaham-pahefana sy ny fananan-tany izao no efa nahavita namoaka ny politikam-pirenena mahakasika izany. […]

Namaky trano : roa lahy naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana, naiditra am-ponja ireo jiolahy roa lahy mpamaky trano tratra tao amin’ny fokontany Ambohitradala, kaominina Andilamena, omaly. Avy nanao ny asa ratsiny, nifanehatra tamin’ny polisim-pirenena nanao fisafoana alina izy roa lahy ireo, ny 17 novambra lasa teo tamin’ny 11 ora alina. Navesatra satria nitondra ireo entana avy nangalariny, nosakanan’ny […]