Other News

Miandry vokatra

  Mihazakazakabe ny fanaovan-tsonia fifanarahana amin’ny firenena na fikambanana, na orinasa vahiny. Mahavelombolo ny fisokafana amin’ny zotra hafa, miala amin’ny famatsiam-bola mahazatra. Efa tsy hita ho kaontina intsony ny teti-bidin’ny trosa miparitaka any rehetra any. Zara aza mahita mangirana amin’ny fahatongavan’ny vola vahiny. Ny indrokely, tsy tena mazava ny takalon’ilay […]

Shanghai Huiyou Investment Group : hampiasa vola 100 tapitrisa dolara eto Madagasikara

Hiasa eto Madagasikara ny orinasa sinoa Shanghai Huiyou Investment Group. Hitondra 100 tapitrisa dolara izy ireo, hanodinana ny vokatry ny fambolena. Vita, omaly, ny fanaovan-tsonia fifanarahana eo amin’ny orinasa Shan­ghai Huiyou Investment Group sy ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madaga­si­kara. Hiompana amin’ny tetikasa hiantohana ny fiandrianam-pirenena sy ny […]

Atsimontsena-Antsirabe : tovolahy matin’ny herinaratra

Nanandranandran-doza, lehilahy 21 taona main’ny herinaratra ka namoy ny ainy tao Atsimontsena, kaominina Antsi­rabe Renivohitra, ny talata 12 novambra teo. Andalam-panam­boarana ny trano iray tao amin’io fokontany io. Andian-tovolahy niakatra teny amboniny. Takatry ny tanana, araka izany, ny tariby mitondra herinaratra. Nanao kisarintsarina sangy hilalao ilay taribin-jiro tamin’ny namany anefa […]

Nanapoizina ankizy… : lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Matin’ny fitsaram-bahoaka ny lehilahy iray tao amin’ny fokontany Ambodiaramy, kaominina ambanivohitr’i Tsivan­giana, distrikan’i Vatomandry, omaly tamin’ny 9 ora sy 30 mn. Voarohirohy ho tompon’an­toka tamina fanapoizinana ankizy 6 taona ity lehilahy ity ka antony nahatonga ireo fokonolona tao an-toerana nanao fitsaram-bahoaka. Na­hazo antso avy amina olona iray ny zandary avy […]

Norobain’ny roa lahy nisaroN-tava : mpianatry ny CEG voafira antsy

Ankizivavy 14 taona, mpianatry ny CEG Sahavoay, niharan’ny herisetra nataona roa lahy tao Mandritsara, afakomaly. Nirava avy nianatra hamonjy fodiana, nandeha irery io ankizy io. Nanatona azy ny roa lahy nisaron-tava. Nandroba ny kitapo teny amin’ilay ankizivavy tao Ambohimahavelona. Nitondra zava-maranitra ireo mpandroba ka naratra ny tanan’ilay lasibatra. Niantso vonjy […]