Nirefodrefotra ny basy tao Analamalotra Toamasina, omaly tamin’ny 10 ora maraina. Naharitra adiny iray ny fifampitifirana teo amin’ny jiolahy sy ny polisin’ny Fip, notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, nanao fanenjika manerana ny tampon-tanànan’i Toamasina. Dimy lahy nirongo fitaovam-piadiana ireto olon-dratsy nikasa hanafika mpandraharaha ireto. Avy naka vola tamina banky iray tao […]
Other News
Herinandro tsy hita… : taolam-paty sisa ilay tovovavy
Taolana niaraka tamin’ny akanjony sisa no nahafantarana ny tovovavy iray tsy hita nanomboka ny 30 oktobra 2024. Nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Fandriana fa misy taolam-paty hita miparitaka ao anaty ala kesika avaratry ny tanàn’Antanamahasoa, fokontany Sahanisotro, kaominina ambanivohitr’i Miarinavaratra, distrikan’i Fandriana, afakomaly maraina. Nidina […]
By-pass: mpitondra moto namoy ny ainy
Nasosan’ny moto tampoka. Nikarapoka tamin’ny arabe ny raim-pianakaviana iray. Maty tsy tra-drano. Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray teny amin’ny lalan’i By-pass, omaly tamin’ ny 11 ora. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona namoy ny ainy. Nitondra moto, avy any amin’ny tobin-dasantsy izy. Nikasa hihazo ny lalan’ny Domaine. Nandalo tsy lavitra teo, […]






