Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny lalao manasa-dalana roa hiadiana ny ho tompondakam-pirenena eo amin’ ny sokajy “federal II”, taranja rugby. Fihaonan’ny samy kartie no hitranga amin’izany. Hifanandrina ny CRAI sy ny CEA ary ny 3FAI sy ny XV FA. Hotanterahina eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso, ny lalao manasa-dalana […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Lasa 16 605 miliara Ar ny tetibola ho an’ny Programme d’investissement public (PIP) ho an’ny taona 2025 raha toa ka 47,625 tapitrisa Ar izany tamin’ ny taon-dasa. Tapaka nandritra ny fivoriana teny amin’ ny Antenimierampirenena momba ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nivoaka ny alakamisy teo ny tetikasa. Nidina kosa ny tetibola […]
Ravinala Airports : fankalazana ny Andron’ny mpandeha
Natokana ho Andro maneran-tany ho an’ny mpandeha fiaramanidina ny 15 novambra. Nankalaza izany, omaly, ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be. Nanome voninahitra ny fotoana ny minisiteran’ny Fitaterana (MTM), ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA). Nambaran’ny tale jeneraly (DG) ny Ravinala Airports, i […]
Vanim-potoan’ny fahavaratra : ampy ny tahirim-bary eto Madagasikara
« Tsy misy atahorana ny tahirim-bary idirantsika anatin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David. Misy, hoy izy, ny dingana atao mba hahafahana mifehy sy mandrindra ny vidiny, hifampitsinjovan’ireo mpisehatra. Mbola mitohy ny fanarafarana ny vokatra ary mbola mitohy ny ezaka amin’ny fandrindrana […]
Semaine mondiale de l’entreprenariat (GEW): Tosika ho an’ny fandraharahana
Mbola mila tosika ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ary entanina hirona amin’izany ny tanora sy ny mpianatra. Fotoana iresahana ireo tantsoroka sy tohana ary torolalana tokony hodiavina ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (Gew) Tanterahana ny 18 ka hatramin’ny 23 novambra ny Herinandro maneran-tany ho an’ny fandraharahana (Gew). Lohahevitra amin’ity […]






