Niarahana tamin’ny Transparency International-Initiative Madagascar-TI-MG ny hetsika. Notsiahivina ny maha zava-dehibe ny ady atao amin’ny kolikoly eo amin’ ny sehatry ny fananan-tany ka hohamafisina hatrany izany. Nifampidinihana koa ny tokony hijerena akaiky ireo voka-dratsy aterak’izany kolikoly izany eo amin’ny sehatry ny fananan-tany. Narahana adihevitra sy tolo-kevitra avy amin’ireo mpandray anjara. […]
Other News
Lelon-jaza
Tranga nanaitra ny mpanara-baovao, omaly, ny fanendrena olona tamin’ny filankevitry ny minisitra. Nisy ny olona nesorina ary efa naranty ny mpandimby azy. Tampoka, noho ny maraina, nofafana tao anatin’ny tatitra indray. Mijanona amin’ny toerana ilay efa nodakana am-bavafo. Ankoatra izay, misy ny tale napetraka vao ny 14 septambra dia […]
Rajoelina Andry: “Izay toky nomena tsy maintsy tanterahina…”
Hitondra vokatsoa amin’ny lafiny maro eo amin’ny fiainana andavanandron’ny Malagasy ny fahavitan’ny lalambe migodana. Hahazo tombony voalohany amin’izany ny lafiny toekarena noho ny fahamoran’ny fifamezivezen’ny olona sy ny entana. Tontosa, omaly, ny fitsidihana ny asa fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Teny amin’ ny fiandohan’ny tetikasa Ambodifasina, kaominina […]
Maevatanana : tratra ireo jiolahy namono olona
Naiditra am-ponja ao amin’ny fonjaben’i Maevatanàna, ny 12 novambra 2024 teo, ireo jiolahy efatra voarohirohy ho tompon’antoka tamina vonoan’olona feno habibiana tao an-toerana. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Maevatanàna ny alin’ny sabotsy 9 novambra 2024 noho ny raharaha famonoana olona niniana natao ry zalahy ireto. Nahitana fatin’olona iray […]
Namono nahafaty ny vadiny: mamatoa indroa voaheloka an-terivozona mandra-pahafatiny
Renim-pianakaviana antsoina hoe i Pity Elicette, 39 taona, fantatra amin’ny solon’ anarana hoe Cette no namono nahafaty ny vadiny tao Ambalakondro, fokontany Vohitsara, kaominina ambanivohitr’Ampasimbe Onibe, distrikan’i Toamasina II. Voarohirohy tamin’ny famonoana ny vadiny izy, araka ny antontan-taratasin’ady laharana 06-Toa/21 ka nampidirana am-ponja vonjimaika azy ny 4 marsa 2020. Antontan-taratasin’ady […]






