Notanterahina ny alakamisy 31 oktobra 2024 teo, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampirantiana « Invitation aux Temps ». Fampirantiana hanehoan’i Finoana Ratovo Andriatseheno izy ity. Mpahay kanto maro sy mpanao gazety ary mpankafy ny kanton’ity mpanakanto tompon’ny fampirantiana ity no niatrika izany. Tao anatin’izany hetsika izany […]
Other News
« Ndao… ! » : ho tantara iray ny hiran’i Tovo J’Hay sy i Nate Tex
Tsy rindran-kira ifandimbiasana fotsiny. Tantara an-kira hanasongadina lohahevitra maro manodidina ny fitiavana ny « Ndao… ! », iarahan’i Nate Tex sy i Tovo J’Hay. Inona ny karazan-tseho iray miavaka, tsy mbola nisy nanao kanefa azo antoka fa ho be mpankafy? Niainga tamin’ny valin’izay fanontaniana izay no nandrafetana ny « Ndao… ! ». fampisehoana iray izay hotontosaina […]
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ny nanosika ny depiote, i Gascar Fenosoa, ho ben’ny Tanàn’Antananarivo ny fahitany ny fahasarotan’ny fiainan’ny olona, araka ny nambarany. Nijery ny lalankely namboarina, etsy Ankorondrano Atsinanana ny tenany, afakomaly, ary nanamgy ireo tsy salama ka nanampy amin’ny hamonjena toeram-pitsaboana. Ho fantatra aorian’ny 8 novambra izao, amin’ ny alalan’ny lahadinika, ny […]
Fifidianana ben’ny Tanàna Antananarivo : napetraka ny foiben-toeran’ny kandidà Tim
Napetraka sy nampahafantarina ny alakamisy teo ny foiben-toeran’ny kandidàn’ny Tim, (QG) Ravalomanana Tojo. Nambarany tamin’izany fa natao hifanatonan’ny ekipa izany toerana izany ka ahavitana asa miaraka am-pifaliana. « Ny tsy vita aza lasa vita rehefa tafaraka. Tsy misy disadisa izany intsony fa isika izao no eto », hoy izy. Nanteriny fa natao […]
Mandinika fa tsy madinika
Miditra anatin’ny vanim-potoan’ny maitsoahitra ny Malagasy, amin’izao fotoana izao. mampirongatra ny tsy fandriampahalemana sy ny fahantrana lalina amin’ny endriny isan-karazany izany. Miditra vaninandro fanaovana fampielezan-kevitra ihany koa, hany ka mahamora ny fanambakana ny vahoaka madinika. Betsaka ny mora tafiditra anatin’ny haraton’ny mpanao politika sadasada. Manoloana izany, tokony hahatonga saina […]






