Nitondra ny fijeriny amin’ny fitantanam-panjakana ny Hetsika Rohy. Tokony hatao mangarahara hatrany izany, araka ny fanazavan’izy ireo. “Ny zava-dehibe dia ny fitakiana mandrakariva ny fametrahana ny fangaraharana eo amin’ny fitantanana ny fiainam-panjakana amin’ny ankapobeny. Tsy amin’ny volam-panjakana ihany, fa na ny eny anivon’ny minisitera tsirairay avy aza dia tokony hipetraka […]
Other News
TSELATRA
Mpitondra moto iray naratra mafy nifandona tamin’ny fiara teny Tsarasaotra, omaly alina. Ankoatra io, zazalahy kely, zanaka teratany vahiny iray naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny an-toerana, afakomaly. Nivadika ny fiara nitondra ity farany. Vokatry ny fandehanana mafy no voalaza fa antony nahatonga ny loza.
Tsy afa-nanohitra : nofohazin’ireo jiolahy ny tompon-trano
Tratran’ny zandary teny amin’ny fokontany Mandrosoa Ivato, ny 27 oktobra 2024 teo, ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana sy famakiana tokantrano iray teny an-toerana. Lasan’ireo mpanafika ny entana sarobidy rehetra tao an-trano. Mbola renoky ny torimaso ireo tompon-trano, araka ny filazan’izy ireo tamin’ny tatitra voaray avy amin’ny zandary. Nanam-potoana mihitsy ireo […]
Ankazobe : voasambotra ilay mpaka an-keriny
Voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny tao amin’ny distrikan’Ankazobe, ny 27 oktobra teo. Naolany ny tovovavy iray takalonaina 17 taona. Nentin’ny fiara mazda nandositra, vehivavy iray 17 taona niharan’ny fanolanana nataona tovolahy tany Manaranarintsoa, fokontany Andriatsibiarivony, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazobe, ny 27 oktobra teo. Niara-nijery lalao […]
Dimy volana nifampitadiavana : vehivavy 19 taona hita faty nifato-tenda
Hita faty nifato-tenda ny vehivavy iray tao amin’ny kaominina Andramasina, ny 31 oktobra teo. Nihantona teo amin’ny hazo voamboana izy ka tapaka ny tady nihantonany. Vehivavy vao herotrerony, hita faty nifato-tenda tao amin’ny fokontany Bemalaza, kaominina Andramasina, ny 31 oktobra teo. Tsy hita popoka nanomboka ny faran’ny volana jona teo […]






