Other News

VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra hatramin’ny 100 miliara Ar ny vola miditra amin’ny Jirama isam-bolana raha toa ka eo anelanelan’ny 140 ka hatramin’ny 170 miliara Ar ny fandaniana ataony. Noho izany, tsy maintsy manohana ara-bola ny Jirama ny fanjakana. Mivarotra herinaratra amin’ny fatiantoka ny orinasa satria 22 cents/KWh, izany hoe, 1000Ar ny vidin’ny famokarana, […]

Fahasalaman’ny biby : niampy 30 ireo « épidémiologistes »

Nisitraka mari-pankasitrahana, ny zoma teo, ireo « épidémiologistes de terrain » vaovao miisa 30. Hifantoka amin’ny fitiliana ireo aretina izay mety hahazo ny olona sy ireo biby fiompy ireto mpisehatra ireto. Nakatona tamin’ny fomba ofisialy, nandritra io fotoana io ihany koa, ny atrikasa fanofanana momba ny fikojakojana ny fitaovana natao ho […]

Fitaterana ana habakabaka: hiara-miasa amin’i Madagasikara ny Rwandair

Hisokatra tsy ho ela amin’ny firenena rwandais ny lanitr’i Madagasikara, ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany sy ny fitaterana ana habakabaka ary ny fampandrosoana ny toekarena. Atao sonia tsy ho ela ny fifanarahana eo amin’i Madagasikara sy ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Rwandair. Voa­resaka izany nandritra ny fihaonana teo amin’ny minisitry […]

Ady amin’ny kolikoly: ilaina ny kolontsain’ny fahitsian’ny mpiasam-panjakana

Ny sazy famaizana, ny fepetra hanamafisana ny fahitsiana amin’ny fandraisana mpiasa, ny fivezivezena, ny fisondrotana amin’ny asa… Anisan’ny fepetra hanamafisana ny fahitsian’ny mpiasam-panjakana ireo. Nison­gadina izany tamin’ny fanohizana ny fakan-kevitra isan-dohahevitra tarihin’ny Komity mpamolavola ny paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) teny amin’ny Bianco Am­bohibao, ny faran’ny herinandro teo. Manan-danja […]

Rugby – «Top 12 Mada»: Tsy nahatohitra ny Cosfa ny TFA Anatihazo

Nitohy teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahavalo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Ma­da­gasikara, taranja rugby “Top 12 Mada”. Voahaja hatreto ny lojika, mbola manjaka sy misongadina hatrany ireo ekipa lehibe, anisan’izany ny Cosfa (Bebaoty) izay nandavo ny TFA Anatihazo (Pilo kely), tamin’ny isa 53 no ho 22. Noporofoin’ny […]