Notokanana, afakomaly, ny Sekoly fanabeazana fototra (EPP) iray any Ambohitsimeloka. Nohavaozina io toeram-pianarana iray io, rehefa ela tsy nisy nijery, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny tomponandraikitra. Tontosa izany noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpiara-miombon’ antoka telo samihafa. Ny Wednesday Morning Group (WMG) sy ny Fondation BOA ary ny Rotary Club Ankorondrano izany. Nahafahana […]
Other News
Raiamandreny ara-drazana : “Avelao hisafidy malalaka ny vahoaka”
Nijoro ny fikambanamben’ireo olobe sy raiamandreny ara-drazana ary nitondra ny heviny. Nambaran’izy ireo fa efa mipetraka ny maha firenena Repoblikanina ka miroso amin’ny fifidianana. Efa ireo ny kandidà ka tokony hajaina ny vahoaka. “Aleo hifidy malalaka ny hitondra azy ny vahoaka. Misy ny safidy ka izahay kosa manara-dia ny filoha […]
Fikambanana miara-dia amin’ny Upar – Tanà : “Tsy hanaiky ny hanaovana sorona ny Renivohitra isika”
Nanao fanambarana ireo fikambanana marobe eo anivon’ny Upar – Tanà, miara-dia amin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, omaly. Namaly ny fanambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa izy ireo tamin’izany. Nohitsin’ny fanambarana fa hikasa hanakana ny fifidianana amin’ny alakamisy 16 novambra izao ny fanehoan-kevitry ny filohan’io Andrimpanjakana io. Manaja ireo raiamandreny ireo izy ireo. Na izany […]
TARATRY ny KANTO
Hikatona tanteraka ny IFM, anio. Mikorontana ny fandaharam-potoanan’ny IFM Analakely isaky ny sabotsy, noho ny toe-draharaha misy. Voatery ahemotra amin’ny fotoana manaraka indray mantsy ireo nokasaina hatao anio, satria hikatona tanteraka ity ivokolo frantsay ity. Saika ireo fandaharam-potoana tafiditra anatin’ny hetsika “Novembre Numérique” ireto nofoanana ireto. Antsa an’i Kristy, eny […]
Satria very ny fototra: mampanahy ny hoavin’ny hira malagasy
Nanome lanja ny tononkira ny Malagasy. «Fahiny izany», hoy ny tanora ankehitriny. Raha io lafiny iray io (tononkira) no tomorina akaiky, maro amin’ireo hira fahiny no hifanipaka amin’ny heno amin’izao vanim-potoana izao. Fifandonana azo adika ho tsy fitoviam-pijery eo amin’ny zoky sy ny zandry, raiamandreny sy zanaka, sns. Feo voajanahary, […]