Notokanana, afakomaly, ny Sekoly fanabeazana fototra (EPP) iray any Ambohitsimeloka. Nohavaozina io toeram-pianarana iray io, rehefa ela tsy nisy nijery, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny tomponandraikitra. Tontosa izany noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny mpiara-miombon’
antoka telo samihafa. Ny Wednesday Morning Group (WMG) sy ny Fondation BOA ary ny Rotary Club Ankorondrano izany. Nahafahana nanome tosika vaovao ho an’ny sehatry ny fanabeazana any an-toerana ny fanavaozana io EPP io. Tanjona ny hanomezana sekoly mendrika ny mpianatra any an-toerana. Hanentanana ny mpianatra hazoto hianatra mba hananana hoavy tsaratsara kokoa hatrany. Hampirisihina ny ray aman-dreny handefa ny zanany hianatra any an-tsekoly ihany koa.
Nahitana efitra dimy ny sekoly raha toa ka roa ihany izany teo aloha. Ankoatra izany, nahazo latabatra sy dabilio 50 ary kitapo enti-mianatra 190 ny mpianatra. «Nampahatsiahy tamin’ny rehetra ireo mpiara-miombon’ antoka fa zava-dehibe ary mitondra lafiny tsara eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny fanatsarana sy fanaovazana ny fotodrafitrasa toy izao», raha ny fanazavana voaray hatrany. Nohamafisin’izy ireo hatrany fa fiahiana ny zaza, izay hoavin’i Madagasikara ihany koa izany.
Mino




