Nijoro ny fikambanamben’ireo olobe sy raiamandreny ara-drazana ary nitondra ny heviny. Nambaran’izy ireo fa efa mipetraka ny maha firenena Repoblikanina ka miroso amin’ny fifidianana. Efa ireo ny kandidà ka tokony hajaina ny vahoaka. “Aleo hifidy malalaka ny hitondra azy ny vahoaka. Misy ny safidy ka izahay kosa manara-dia ny filoha Andry Rajoelina”, hoy izy ireo. Notsiahivin’izy ireo fa nitana ny teny nomeny ity kandidà ity ary efa manazava ny foto-keviny amin’ny fitetezam-paritra. Tsy vitan’izany fa nihaino ny hetahetan’ny vahoaka. Tsara ny mifanaja ka aleo hirosoana ny fifidianana, araka ny nambarany. Hevitra ijoroan’izy ireo izany. Eo koa anefa ny soatoavina ka nisaoran’izy ireo ny filoha teo aloha, Andry Rajoelina, amin’ny fiaraha-mifampitantana amin’ireo olobe manerana ny Nosy.
Notsiahiviny fa mitahiry ny maha izy azy ireo raiamandreny ara-drazana ary mahatsapa fa misy tanora mamela-tanana sy manome haja sy hasina azy ireo. “Mifanohana maharitra ho amin’ny fampandrosoana izahay”, hoy ihany izy ireo.
Nanterin’izy ireo fa efa natao avokoa ny ala nenina sy ny dinika. Tsy mazava anefa ny sain’ny mpanao politika sasany. Manaja vahoaka isika ary efa nipetraka ny lamina avy amin’ny lalàna ka nahatonga anay nisafidy ny kandidà Rajoelina. “Resy lahatra izahay fa afaka hiaraka hiasa aminy”, hoy izy ireo.
Synèse R.




