Nambaran’ny minisiteran’ny Fahasalamana maorisianina, omaly, fa nahitana tranga voalohany “Mpox” any amin’ny Nosy Maorisy. Teratany Nizeriana 49 taona no fantatra fa voan’izany, raha ny vaovao navoakany hatrany. Nampidirina hopitaly avy hatrany any amin’ny hopitaly Port-Louis izy. “Tsy misy ahina ny toe-pahasalamany”, hoy hatrany ny fanambaran’ny minisitra. Nohamafisina avy hatrany ny […]
Other News
Tsy nisy lela sy voamaso: lehilahy hita faty tao an-tranony
Hita faty tsy nisy lela sy voamaso ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny trano fonenany, tao Ambodiampanga, fokontany Antanetibe, kaominina Ambohidrapeto, afakomaly maraina. Nipetra-drery io lehilahy io. Niaraka nisakafo tamin’ny olona mpifanerasera aminy izy ny alin’ny sabotsy, araka ny loharanom-baovao. Tsy nivoaka ny trano intsony izy ity ka nampanahy ireo manodidina. […]
EPP Fitroafana Talatamaty: nisitraka dabilio vita amin’ny fako plastika voahodina
Ao anatin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy (RSE) sy ho fikajiana ny tontolo iainana ary ho fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana, nanolotra dabilio vita amin’ny fako plastika voahodina ho an’ny EPP Fitroafana Talatamaty, ny sabotsy teo, ny orinasa E-Toile, mpiara- miasa amin’ny vondrona Belge alsico sy ny Andao Company. Tanjona ny hanova […]
« Robotex international 2024 »: Telo mirahavavy no solontena malagasy
Handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena “Robotex 2024” atao any Tallinn Estonia, ny 6 sy 7 desambra izao, i Madagasikara. Hisolo tena ny firenena malagasy ny ekipa misy an’i Harena sy Fitizo ary Soadanana, tovovavy kely 11 sy 13 taona. Hamboatra robot miady amin’ny haintrano, doro tanety ary doro ala izy […]
« SIH 2024 »: Fahombiazana tanteraka ny hetsika
Tratra ny tanjona ho an’ny Forello Expos nandritra ny « Salon international de l’habitat » andiany faha-26, ny 24 ka hatramin’ny 27 oktobra lasa teo, teny Tanjombato. Nomena sehatra manokana ireo fanamby eo amin’ny tontolon’ny fanorenana trano. Manodidina ny 15 000 isa ihany koa ireo mpitsidika nandritra ny efatr’andro nanaovana ny hetsika. Nahatratra […]






